i Andry Rajoelina, kandida ho filoham-pirenena malagasy nambaran’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI vonjimaika farany teo fa lany hitondra fanindroany mandritry ny 5 taona indray ity firenena malagasy ity. Isan’ny fanontaniana napetraky ny mpanara-baovao moa ny hoe ho lazaina fa sandoka na “fake” indray ve izao itony fampahafantarana na “localisation” ataon’ny Twitter itony? Ny kandida ho filoham-pirenena, Paraina Auguste, moa nilaza, volana maro lasa izay, fa nahazo fiantsoana any Londre, Angletera, ny kandida Andry Rajoelina, noho ny raharaha Romy Voos. Nanda ny fisian’izany kosa ny kandida Andry Rajoelina ary dia nantsoina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana mihitsy kosa ny kandida Paraina Auguste taorian’izay. Nambaran’ny fiadidiana ny repoblika malagasy mihitsy ihany koa fa tsaho ny filazana fa nahazo izany fiantsoana izany ity filoham-pirenena teo aloha voalaza teo ity. Tsiahivina fa vao aingana izay no nambara fa tsaho ny fisiana manam-boninahitra eo anivon’ny tafika malagasy miisa 2 izay nosamborina sy nanaovana fanadihadiana kanefa taty aoriana dia ireny niaraha-nahita ireny fa tena nisy tokoa ihany ilay tranga. Andrasana indray, araka izany, ny tohin’ity raharaha ity. Inona no mety ho antony nahitan’ity tambazotran-tserasera ity an’i Andry Rajoelina tao Paris tamin’ny 12 ora sy 25 minitra tolakandro, ora any an-toerana, tamin’iny omaly iny? Hamonjy an’i Londres ihany tokoa ve sa mety ho antony hafa?
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny