airtel

Politique

16-mai-2025

Alain Andriamiseza

«Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka!»

Sample post image

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

16-mai-2025

hoy ny filohan’ny antoko politika MCDM sady filohan’ny vondrona politika HIFFIM, Alain Andriamiseza! Rehefa tolom-bahoaka, hoy izy, dia tolom-bahoaka ary heveriko fa efa fotoanan’ny tolom-bahoaka izao! Ny tokony atao voalohany, raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara, dia ny fitsitsiana eo anivon’ny fitondràna ny raharaham-pirenena. Fitsitsiana eo amin’ny fitantanana ny volam-bahoaka. Ny fitandroana ny fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny fananantsika fahefana eo amin’ny fifanakalozana ara-barotra rehetra, na ny eto an-toerana io na ny mankany ivelany. Tsy manana an’ireo isika amin’izao fotoana izao fa dia lalaovin’ireo firenena any ivelany fotsiny. Tsy maintsy ny laharam-pahamehana amin’ny filàm-bahoaka no tokony hanombohana ny asa rehetra. Ity vola ity ve mety atao miankavia sa tokony atao miankavanana? Inona no tena mahaory ny malagasy amin’izao fotoana izao? Raha ny rendrarendram-panjakàna no atao laharam-pahamehana dia io efa iaraha-mahita io ny vokany. Ny HIFFIM dia manamafy foana hoe fitsitsiana sy fahaiza-mitantana volam-bahoaka aloha no ahafahana manitsy ny raharaham-pirenena sy mandeha any amin’ny fampandrosoana. Misy tolona daholo eran’izao tontolo izao ary ny tolona dia miverina foana rehefa mikatsaka hatrany ny mahasoa ny fiainam-bahoaka ianao. Rehefa tsy mahavita azy dia alàna! Mbola tsy ampy ny ezaka ataontsika amin’ny tolom-bahoaka mba hipetrahan’ny olona tia tanindrazana, misy traikefa ary manaja vahoaka eo amin’ny fitondràna matoa mbola mahantra ny firenena, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap