Tsy marin-toerana intsony ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra, ka mahatonga an’i Andry Rajoelina hanao propagandy hatrany. Mitosatosaka ny fampanantenana, ny teo aloha tsy vita, ny eo mipoitra ihany, hoy ny mpandinika politika iray. Miradradraka ny fampanantenana, toy ny tany Toliara, milalao vahoaka amin’ny fizarazarana zavatra toy ny filazana fa hizara vary amin’ny gony fa tsy amin’ny kilao ao Ambosary Atsimo. Tanisaina ny resaka fanamboaran-dalàna ka nilazana fa afaka 3 taona dia ny any Atsimon’ny Nosy no tsara sy hifandray indrindra ka asa mba manao ahoana ny any Ikongo, Maintirano, Sambava,… 494km ny RN13 saingy ny 110km no vita tao anatin’ny taom-piasana efa miditra taom-piasana faharoa, ka ny fampanantenana no mameno azy. Miverimberina hatrany amin’ny 5 taona lasa ny tetikasa Pipeline Efaho, lazaina hositrahan’ny mponina miisa 500 000 any amin'ny faritra Androy sy Anosy sy hanondraka tany fambolena mirefy 80,000 ha fa mandrak’ity ny androany tsy hita izay vokany. Dia io fa miverina ihany koa ny hoe : nodinihana manokana ny drafitra fanarenana amin'ny tena tokony ho izy ny orinasa JIRAMA, mba hisian'ny fanaraha-maso hentitra eo amin'ny lafiny ara-pitantanana anatiny sy hampiharana amin'ny fomba mangarahara ny paikadin'ny fampiasam-bola mifototra amin'ny angovo azo havaozina. Fa inona no natao sy nampanantenaina niainga tamin’ny 2009 no hatramin’izao tsy hita izay vokatra. Dia tanisaina fa hametraka 5MW atsy sy aroa, kanefa ny « plaques solaires » napetraka tany Mahajanga vao volana vitsy, nesorina ka tsy hita izay niafarany, kanefa i Andry Rajoelina mihitsy no nirehareha tamin’io. Nanomboka omaly, namoaka fampafahantarana mamaritra ny tsy maintsy hirosoana amin’ny delestazy mifandimby ny Jirama. Ny resaka tsy fandriampahalemana, angaha androany vao nanome toromarika, saingy iaraha-mahita ny vokany. Ny sosialy sy ny toekarena ambony ambany, ny fanondranana mitotongana indrindra fa ireo sehatra stratejika toy ny lavanila, jirofo, lamba izay mahatratra 11% mahery amin’ny ankambony raha misy mahatratra 45% ny isanisany. Ny vidim-piainana miha midangana izay efa tafakatra 8,4% tamin’ny volana martsa,… Lasa ny fanomezana tsiny ankolaka vahoaka no betsaka fa tsy vahaolana toy ny nilazan’i Andry Rajoelina, fa "tena ilaina ny fanabeazana aizana sy fandrindrana ny fiainam-pianakaviana fa misy vehivavy maro loatra ny zanany. Tsy manana asa anefa dia vao miha fahantrana miteraka fahantrana.", hoy izy. Fanomezan-tsiny no vahaolana ? Ny filalaovana ny fahantram-bahoaka hampalazana tena no misongadina, fa tsy ny fampiakarana ny fari-piainan’ny vahoaka. Lazaina fa fifampitsinjovana sy fifamelomana ny fizarazarana. Tena izay ve no vahaolana ? Inona no fandrosoana ho vanona eto na afaka 60 taona aza ? Maharo ny fitondrana ve ny kitositosika sy kizarazara io rehefa ho avy tokoa ny tokoa ?
Toky R
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,