vaovao indray ireo antoko samihafa. Mafampana ihany koa anefa ny olana ho an’ny fitondrana Rajoelina. Asa na fifandrifian-javatra entina hanalefahana sy hanaronana ny krizy anatiny, toy ny raharaha ampamoakan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy izay niteraka olana anatiny goavana ao anaty fitondrana ny mahatonga an’i Andry Rajoelina miezaka manao sehoseho sosialy sesilany tato ho ato io. Manomboka hita ety ivelany ny fifanandrinana mivantana na ankolaka anaty Fanjakana, toy ny fisiana filohana andrim-panjakana dia ny Filohan’ny Antenimierandoholona manakiana mivantana fa nihaino ny feon’ny mpanohitra sy ny mpanao « kidnapping » ny mpanapa-kevitra ka nanaisorana ny olona izay sokajiana ho olona matokiny. Dia ny loholona ao anatin’ilay andrim-panjakana ihany no mijoro manohitra sy mitondra setriny ankolaka. Tonga hatrany amin’ny feo, fa misy manomboka mitady hikitikitika ny sezan’ingahy Jeneraly misotro ronono. Tao anatin’izao Fitondrana izao no nahavita nanongotra amboletra filohana andrim-panjakana voafidy ara-dalàna tamin’ny fifidianana miisa roa, izay mbola mariky ny krizy politika, saingy iniana hikipiana. Toa nandeha ho azy sy noleferina avokoa izay nitranga rehetra na betsaka aza ny fanitsakitsahana lalàna sy lalàmpanorenena, eny fa hatramin’ny resaka zom-pirenena Frantsay tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023 aza. Mbola vanja milevina ho an-dRajoelina ireny !
FAMPITANDREMANA !
Manomboka mandeha ny ritsoka sy ny ahiahy amin’ny fikotrehana hanova lalàmpanorenana hahafahan’i Andry Rajoelina manao taom-piasana fahatelo, toe-javatra isan’ny loharanon’ny rombo aty Afrika, toy ny tany Sénégal ny taona 2024. Marina fa mbola tsy nisy fanehoana an’izany mivantana, saingy matoa io manomboka mivoaka, dia mety efa mandeha ny fitsapatsapana. Dia ireny sesilany ireny ny fanambarana sy fampitandremana nataon’ireo antoko sy Etamazaoro politika samihafa. Anisan’ny nilaza ny antoko Malagasy Miara-Miainga tarihin’Atoa Hajo Andrianainarivelo fa tsy azo ekena ny fikasan’i Andry Rajoelina hanao izany. « Efa hitantsika tsara ny zavatra tany aloha tany sy any amin’ny firenena hafa fa ny fikitihana io Lalàmpanorenana io dia niteraka krizy politika ary fihonganana alohan’ny fotoana ny mpitondra fanjakana, ny filoham-pirenena izay mitondra, mila mieritreritra tsara izany.Mamadika im-pito ny lela vao miteny, ary tena hoe mandinika ambony ambany, ny toe-draharaha politika amin’izao efa manahirana be, mahamay be dia mbola hiampy an’izay, ny vahoaka efa tsy maharitra intsony. », hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Vao ny fiandohan’ity herinandro ity ihany koa no naneho ny depiote Gascar Fenosoa, fa tsy mety sy tsy azo ekena ny mety ho amboletra hiadiana sisika hanao taom-piasana fahatelo,… Efa naneho ihany koa Atoa Patrick Raharimanana fa efa « efa mikatona ny varavarana » ho an’i Andry Rajoelina, vita amin’ny 2028 ny azy ka safidiny na hivoaka amin’ny varavarambe, fa tsy terena koa izy, raha isafidy hidona amin'ny rindrina amin'ny 2028, na mety alohan'izay.
HANOMBOKA AMIN’NY GOVERNEMANTA…
Miaina sarintsarim-pahamarinan-toerana na teo aza ny fanaovana ampihimamba politika tamin’ny fangoronan-tseza sy fahefana nandritra ireo fifidianana 3 nifanesy. Na izany aza, tsy mahavita mametraka fitoniana sy fahamarinan-toerana, fa krizy mandavan-taona. Mitsoaka indray ny rivotra mafampana ao Tsimbazaza amin’ny fikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Miakatra ny fahasosorana noho ny fahatsapan’ireo olom-boafidy ao amin’ny fahefana mpanatanteraka fanaovana tsinontsinona ny antenimierampirenena. Marina fa manana ny maro an’isa ny volomboasary, saingy mandeha ihany ny fimenomenonana. Betsaka ny fandikan-dalàna, betsaka ny fanaboriboriana ny raharaham-pirenena,… toy ny fanafoanana ny fihaonanan’ny mpanatanteraka sy mpanao lalàna nisesisy, tsy fanintsiana ny lalàna ny tetibolam-panjakana fa manao izay maha diavolana azy ny Fanjakana, hatramin’ny tsy fanomezana karama ireo mpanolotsaina teknika sy « assistants parlementaires »,…. Mihamafy ny adihevitra hitsipahana ny governemanta, saingy olana sy krizy sy vain’afo eo an-tampon-dohan’i Andry Rajoelina hatrany izany na ho tanteraka na tsia satria maneho fa misy krizy sy fahasosorana mihalalina eto, ary mety hipoaka na ho ela na ho haingana, indrindra eo anatrehan’ny mety ho fisiana amboletra hanao taom-piasana fahatelo. Ny ampitso no hitsara azy…
Toky R
Vao manomboka ianao dia efa fantatray, vao mandray fitenenana ianao
Mihamafy ny fipoahana sosialy ateraky ny olana samihafa miantraika ara-toekerana,
Hakiviana ny an’ny ankamaroan’ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-baovao