airtel

Politique

27-févr-2024

Ady an-trano sy ady seza

Manomboka mifamango ny volomboasary…

Sample post image

Mitohy sy miitatra ny endrika ady seza sy savoritaka ao anatin’ny vovonan’Antoko

27-févr-2024

mpiara-dia amin’ny fitondrana amin’izao ankatoky ny fifidianana depiote sy ben’ny tanàna izao. Sary iray manamafy izany ny tao Fianarantsoa, izay efa nisy ny karazana fifamelezana teo amin’i Pety Rakotoniaina izay anatin’ny UPAR sy ny Governora Paupil Razafindrafito. Ny andaniny milaza fa izy ireo no tena nisasatra sy nively vy tamin’ny fampandaniana an’i Andry Rajoelina, ary ny ankilany miteny fa izy ireo no efa niasa hatramin’izay tamin’ny fanabeazam-boho ny antokon’ny fitondrana. Toa miady ho lohany ka asa hanao ahoana ? Mbola niitatra ny sakoroka satria teo imasom-bahoaka indray no nifamaly sy ny nifanao vava be ny "assistant parlementaire" roalahy, izay samy milaza azy ho samy mpomba an'i Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny hetsika nokarakarain'ny UPAR tao amin'ny Rex Fianarantsoa. Resaka fandraisam-pitenenana no fototry ny olana satria hoe nisy nikabary kanefa tsy tokony nikabary. Efa saika raikitra teny ambony lapihazo ny totohondry ka voatery nandamina sy nanasaraka ny mpitandro filaminana. Efa tsy misy henatra intsony, ao anatina famoriam-bahoaka no miady an-trano ny mpomba ny Filoha. Olona tia korontana toa izany ve no antenaina handamina fiarahamonina sy hampandroso firenena ? Raha ny sary mety hitranga ao Fianarantsoa anefa, dia ny anaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena no re siosio fa harotsaka ho kandidam-panjakana ao Fianarantsoa ka asa hoe : halefa any Ikalamavony ve Atoa Pety Rakotoniaina ary any Ifanadiana izay efa naha depiote azy teo aloha Atoa Paupil Razafindrafito ? Dia ahoana ny hafa mety te ho kandidam-panjakana ao Fianarantsoa ? Tranga iray ny any Fianarantsoa, fa betsaka ny adisisika politika mandeha amin’izao fotoana izao amin’ny hazakazaka ho etsy Tsimbazaza. Io iaraha-maheno io ohatra ny tranga ao amin’ny Boriborintany faha-4 eto Antananarivo izay misy olon’ny Fitondrana maromaro miady sisika na mety hasisika hifaninana, ka eo ny solombavambahoaka am-perin’asa Paul Bert Rahasimanana izay toa mangatsiatsiaka amin’ny fitondrana sy ezahana tandrohana ; efa mikofokofoka manao serasera tonga hatrany anaty fidinana anaty honahona manala tsikafona ny Filohan’ny TMH Rafidimanana Désiré ; ny mpanakanto Raboussa izay olona akaikin’ny Minisitry ny fampianarana teknika sady Filohan’ny Antoko Freedom Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy,… Misy amin’ireo depiote am-perin’asa no miozongozona sy sosohan’ny hafa raha ho an’ny Antokon’ny fitondrana. Mety hisongadina amin’ity fifidianana ity ny fahamaroan’ireo andeha amin’ny anaran’ny tenany rehefa tsy tafiditra ho kandidan’antoko. Na ny any anatin’ny fanoherana ihany koa aza dia azo heverina fa henjakenjana ny mety ho adihevitra any anaty paikady sy safidy amin’ny fametrahana kandida satria betsaka ihany koa no efa samy manao fihetsiketsehana any amin’ny distrika samihafa any, ka mety hararaotin’ny mpitondra ihany koa io raha tsy voarindra.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap