toy ny MFM sy Leader fanilo aza tratry ny heverina hoe «virus» na areti-mifindran’ny ady toerana sy seza tao anatin’izay tetezamita 2009 sy ny nidirana tanatin’ny atao hoe repoblika fahaefatra izay mitohy hatramin’izao izay. Taiza no mbola nahita izany MFM na Leader Fanilo nizara roa izany, raha tsy tamin’ireny fotoana ireny? Nalaza ny hoe «Elatra Jean Max» sy ny «Elatra Zafera» ho an’ny Leader Fanilo. Taty amin’ny MFM moa dia nisy ny hoe nankato sy tsy nanaiky an’Itompokolahy Emmanuel Rakotovazaha. Asa! Tonga saina ihany angamba taty aoriana ireto antoko politika filamatra teto Madagasikara ireto taty aoriana ka dia io manomboka miverina mamondrona ny herivelony avy io. Ny tena loza sy maha menatra olona, satria dia toa zary ataon’izao tontolo izao fihomehezana mihitsy ankehitriny, dia ny maheno hoe efa maherin’ny 300 isa ny antoko politika eto amin’ity Madagasikara ity. Tsy hay hoe hanao inona sy nanao inona daholo izany rehetra izany no dia mbola tahaka izao foana ity firenena ity mandrak’androany? Firy isan-jaton’ireo no tena mba maneho hevitra mikasika ny votoatin’ny fiainam-pirenena? Ho an’ny aty amin’ilay antsoina hoe fanoherana moa dia fanontaniana mipetraka hatramin’izao ny hoe «Tsy misy zavatra hafa azo iadian-kevitra sy hanoherana ny fitondràm-panjakana ankoatran’ny resaka trafon’omby sy ny ankanjon’ny vadin’ny filoham-pirenena ve na hoe iza no pelaka sy tsy pelaka?». Tsy maharary ny vahoaka sy tsy tokony ho resahana ve, ohatra, ny resaka fiakaran’ny saran-dalana amin’ny zotra nasionaly? Eo ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Eo ny tetibolam-panjakàna tsy nasiam-panitsiana. Ny tsy fandriampahalemana mampikaikaika. Isan’andro izao ahenoana zaza sy tanora sakana very sy hanaovan’ny ray aman-dreniny ombay mitady hatrany. Ny vono olona sy fanolanana manginy fotsiny. Ny manjavozavo amin’ny resaka fitrandrahana sy fitantanana ireo harem-pirenena eto Madagasikara na koa ny tokony ho fitakiana ireo nosy manodidina. Tena tsy mahita ambara amin’izany rehetra izany ve ny fanoherana? Ny eo anivon’ny fanohanana ny fitondràna moa dia efa niaraha-natsiahy izao fa praiminisitra nolavin’ireo depiote maro an’isa ny taona 2018 ny maraina no nankatoavin’izy ireo indray ny hariva. Taty aoriana dia efa feno maro an’isa indray ireo depiote nitaky ny fialàn’io praiminisitra io ihany, efa niparitaka tamin’ny haino aman-jery fa ireo ny sonia kanefa dia hoe tsy raikitra indray fa nanakana ny filoham-pirenena dia nanaiky tokoa. Efa ho 8 taona aty aoriana isika izao, miverina fotodresaka eny anivon’ny antenimieram-pirenena indray ity resaka fitakiana ny fialàn’ny praiminisitra na hoe «motion de censure» ity ary heverina fa tena mitombina ny antony rehetra mifandraika amin’izany toy ny hoe inona izany no vokatra miabo nentin’io praiminisitra io ho an’ny firenena sy tamin’ny alalan’ny fitarihany ny governemanta ary ny fifantenany ireo mpikambana ao raha toa ka firenena faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany ankehitriny ity Madagasikara ity? Inona, raha mbola toy izao iaraha-mahita izao androany ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy? Tena manana fahefàna amin’ny praiminisitra ve ny filoham-pirenena sa voafatony? Be dia be ny fanontaniana manitikitika ao anatin’izany rehetra izany saingy niharihary hatrany teo imason’ny mpanara-baovao ihany koa nefa ary heverina fa tsy diso ny filazàna fa nidina lenta nanomboka ny taona 2009 ny fanaovana politika eto Madagasikara.
J. Mirija
Tsy nitondra fahasambarana ho an’ny malagasy ny maodely ara-toekarena “néolibéral”,
Nanomboka omaly ny fifanatrehana mivatana teo amin’ny solombavambahoaka sy ny governemanta,
Somary gaga ihany ny mpanara-baovao mahita ireo sarina toeram-pisakafoana na
Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana
Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia