governemanta izay tsy nijanona ho iray andro fa hihitatra amin’ny fihetsiketsehana samihafa ao anatin’ny 3 andro. Betsaka ny zavatra vita, ary maro no hatomboka, hoy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina teo am-pahatongavana, fotoana nilazany fa nisy fahasimbana ny fiaramanidina tokony hitondra an’i Andry Rajoelina, ka voatery nitady fiaramanidina hafa. Milaza moa ny Fanjakana, fa toy ireo efa natao tany amin'ireo Faritra hafa dia hojerena manokana ireo asa mbola mila hatao mipàka mivantana amin’ny filàn’ny vahoaka ifotony sy ny fampandrosoana ny Faritra Matsiatra Ambony iray manontolo. Anisan'ny noresahana ireo fotodrafitrasa toy ny fanajariana ireo biraom-panjakana sy ny lalana, ny lalana an-tampon-tanàna sy ny lalam-pirenena fahafito, ny fandriampahalemana, ny fampidirana rano fisotro madio,… Efa betsaka ihany koa izay fampanantenana sy makety natao tao Fianarantsoa izay fa asa hoe : tena tanteraka antsakany sy andavany tokoa ve ? Izay eo ihany, fa fifandrifian-javatra ihany ve ny fisafidianana ireo toerana izay anehoana ambadika fa fidinana ifotony hijerena ny tena olam-bahoaka ? Rehefa nojerena tamin’ireo fanapahana samihafa tao anatin’ireo filankevitry ny minisitra nisesisy anefa dia tsy tena nisy zavatra tena hoem « miavaka » na « manokana » ho an’ilay toerana nanatanterahana izany fa mitovy amin’ilay tapahana etsy Iavoloha isaky ny alarobia alina ihany. Fandaniana tsy toko tsy forohana, mety ho amina miliara anefa ny fandaniana amin’ny firodorodon’ny governemanta sy ny olom-panjakana tahaka io. Ny Firenena sy ny vahboaka andaniny sahirana fadiranovana, kanefa ny mpitondra toa manao fafy kantrana ny volam-panjakana. Nisy olana sy ahiahy goavana mikasika tany Nosy Be manoloana ny raharaha Nosy Sakatia, Nosy Mitsio,… dia natao tany an-toerana ny filankevitry ny Minisitra. Nafana sy nangotraka ny fanoherana ny tetikasa Base Toliara dia nihazakazaka nanao filankevitry ny minisitra nakany. Dia io indray ihany koa ny toe-draharaha ara-pahasalamana tao amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa izay niteraka alahalo ho an’ny vahoaka, ary nandraisan’ny tao Ambositra fanapahan-kevitra manokana hisaona tamin’ny 25 jona raha nitotorebika tamin’ny afomanga teny Ivato ny Fanjakana foibe, dia io fa nisafidy an’i Fianarantsoa indray ny governemanta. Sanatrian’ny vava faly hisintona lakolosy fa vahoaka an-jatony ny matin’ny tazomoka tany amin’ny distrikan’Ikongo, olona am-polony mahery lavon’ny fahapoizinana tany Ambositra na ny teto Antananarivo, fa na ny soatoavina fahanginana iray minitra tetsy Mahamasina aza nandritra ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovan-tena sy ny fetin’ny foloalindahy ny 26 jona teo, raha tsy sanatria hoe : isika no tsy naharaka. Ankehitriny dia aseho fa manakaiky an’i Fianarantsoa taorian’ny tany Toliara, Nosy Be,… izay samy nahitana olana avokoa ka sao lasa famonoana afo mitety faritra ?
Toky R
Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…
Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa