tsy misy vahaolana sy mbola nanaovana serasera politika tsy nisy vokany toy ny hoe nalefa any an-dafy. Efa olona an-jatony matin’ny tazomoka mbola misy mpitondra sahy milaza fa tsaho Aty amin’ny taona 2025 mbola izany no zava-misy, tsy voaaro ny vahoaka, mihinana ny tsy fihinana ka efa ho 50 matin’ny poizina sy ny fahapoizinana, olona 200 mahery matin’ny tazomoka aretina efa resin’ny firenena maro tany amin’ny 30 taona lasa,… Sady tsy voaaro no tsy afaka mitsabo tena ny Malagasy. Izay tsy manam-bola miankina amin’ny vintana sy anjara sisa. Ny fitsaboana lafo eto ihany koa anefa mbola tsy atokisan’ny mpitondra ka ny mpitantana ambony marary, saika alefa any an-dafy ny ankamaroany. Ny sehatra ara-tsosialy sy ara-toekarena ambony ambany. Ny solika ifampitadiavana tsy misy, ny delestazy zava-doza, ny rano tsy ampy, ny orinasa Jirama misavorovoro, ny mpandraharaha vonoina amin’ny TVA 20% sy ny fitangosam-bola mihoampampana, ny kaominina manerana ny Nosy atao ampihimamba ny hetran-trano sy hetran-tany,… Inona no mba zavatra mandeha eto ? Ilaharana sy olana ny zava-drehetra ! Mikorotana sy misavorovoro tanteraka ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Tsy misy andro mihiratra satria na ny zavatra tokony handeha ho azy eto amin’ny Firenena toy ny solika izay stratejika be aza miteraka fikorontanana. Ny laharam-pahamehana hitantanana ny firenena mbola kirendrarendra lava, fampanantenana poakaty, fanamarinan-tena, volam-bahoaka atao fafy katrana,… Ny fihariana tsy misy marin-toerana intsony satria ny orinasa ara-dalàna miha sahirana noho ny krizy ara-toekarena amin’ny endriny maro, saingy volosana hamelona ny Fanjakana ratsy tantana.
TSY ARAKARAKA NY RESABE NY VOKATRA…
Ny seha-pihariana voalohany na ny « secteur primaire » tsy tena voajery, hany ka tsy vahoaka mamokatra no misy fa vahoaka sahirana mitady izay harapaka. Lazaina fa ivon’ny paikadim-pampandrosoana ny famokarana, fanodinana indostrialy,… saingy tsy tena hita soritra, ny delestazy mbola mamono ny fihariana maro. Resahana ny fahavitan-tena ara-bary, saingy bizina vary safiotra miaraka amin’ny sinoa handaniana 600miliara Ar isan-taona no misongadina, fa ireo seha-pikarohana tena mahalala sy tokony hotohanana hitondra tantsoroka ho an’ny tantsaha atao anjorom-bala,… Ny sehatra ara-panjakana moa zary fahasarotana no betsaka, kolikoly no manjaka,… Tsy natao hiahy sy hitondra tamberiny amin’ny vahoaka fa toa zary fambotriana sy fanararaotana no betsaka. Ny vahiny no zary homena vahana, omena tany amina hekitara maro be, hanaovana fifanarahana tsy mangarahara, fa ny vahoaka zary tombony mangataka atiny amin’ny taniny. Tena mbola misy ilàna ny mpitondra ankehitriny ve ? Raha ny mpitondra ankehitriny ve no teo amin’ny toeran’ny fanoherana tsy efa natao fitaovana nentina nandrodanana Fanjakana ny zava-misy tahaka izao ? Toa mampitombina ilay famakafakan’ny mpandinika hoe : raha tsy tiana hihetsika io vahoaka io dia na atao maty voky na atao maty noana. Fa mety mampitombina ny fomba fijery hafa ihany koa hoe : matoa ny vahoaka mahavita mijoro sy tonga any amin’ny fanonganam-panjakana, dia na manao tsipaky miala aina, na mahatsapa ho efa marimarin-toerana ara-toekarena sy ara-tsosialy ka manam-potoana hidirana lalina amin’ny politika sy ny fiainam-pirenena,…
Toky R
Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…
Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa