airtel

Politique

03-juil-2025

Dany Rakotoson

«Isaky ny mipoitra eto ny olana vao itadiavana vahaolana»

Sample post image

Tsy ampy voalohany ny resaka serasera matoa i Madagasikara tafiditra amin’ny

03-juil-2025

toe-draharaha manahirana tahaka ny ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Nampahafantatra ny minisitry ny angovo sy akoran’afo, hoy izy, tamin’ny herinandro fa tsy misy atahorana ny famatsiana solika eto amin’ny firenena. Herinandro aty aoriana isika izao. Lasa malaza ny tsy fisian’izany mihitsy amin’ireo tobin-tsolika samihafa. Nisy serasera moa avy eo hoe resaka fitsinjaràna no antony. Tsy tokony hisy nefa izany tsy fahatomombanana rehetra izany satria iaraha-mahalala ny fahasahiranam-bahoaka eo amin’ny ara-bola, ny fahefa-mividy, tsy vita intsony ny manenjika ny volana. Lasa miiba ny toetsaina sy ny zava-miseho. Na ny toekarena aza tsy miodina mihitsy satria iaraha-mahalala fa mampalahelo ireo orinasa mikatona, mangorona entana. Ny 1 jolay ity aho izao tamin’ny lalana nodiaviko dia nifanena tamina orinasa miisa 2 nikatona. Tsy vao teo akory ireo orinasa ireo vao nanakaton-trano fa efa avy amin’ilay «marasme économique» na faharotehana ara-toekarena vokatry ny olan’ny JIRAMA izany ary eo koa ny fahefa-mividin’ny mpanjifa izay ambany dia ambany. Raha nanana politika tsara amin’ny resaka fivoarana isika dia tsy tokony hisy fiantraikany be loatra aty izany ny jeopolitika tahaka an’io ady any Okrainina sy Rosia na Iran sy Israel io. Ohatran’izao foana eto rehefa tsy manana politikan’ny toekarena sy fampandrosoana ny mpitondra. Tokony handeha mihitsy ny toekarentsika fa ny andrasana amin’ny fitondràm-panjakàna dia ny fametrahany ny vina mazava tsara hoe malagasy tahaka ny ahoana no tokony ho hita eo afaka 5 na 10 taona? Manao fitantanana mitsitaitaika na «gestion courant» izao ny fitondràm-panjakàna. Isaky ny mipoitra eto ny olana vao itadiavana vahaolana. Rehefa tsy misy izay tanjona izay dia taitaitra fotsiny hoe andao hanao teleferika na andao hanao an’izay hampamirapiratra eto! Mamaly tanjona inona marina moa izay? Manjamanja fotsiny ve sa tena mamaly ny tanjona mazava ilain’ny firenena? Ny ilain’ny firenena no resaka eo fa tsy hoe ilain’ny kaominina na distrika na faritra sy tahaka izany. Izany rehetra izany efa misy tomponandraikitra nampisahanina azy avy fa ny tsy mampandroso antsika hatramin’izao dia io fanjakàna foibe mbola misalovana ny andraikitry ny faritra hafa io ihany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap