Conseil d'État androany maraina ny fahalanian'ity ben'ny tanàna nahazo 75% tamin'ny fifidianana kaominaly farany teo. Hafaliana sesehena, tsy homby tratra ary tsy hay refesina no hita amin'ny mponina ao Ambodinonoka sy Vatomandry vantany vao naheno ny vaovao. Misaotra an'Andriamanitra sy Vatomandry ! », hoy ny serasera nataon’ny depiote Sophie Ratsiraka omaly. Tany amin’ny vokatry ny CENI raha hiverenana, dia nandresy mazava 74,41 ny kandida mahaleotena notohanan’ny Antoko RPR tarihin’io depiote io Atoa Solonirina Manuella Marthino Pierrot, raha 25,59% kosa ny an’ny IRMAR Andrianirina Jacques Dieu Donné. Nitsimbadika ho resy anefa ny 74% mahery, ary nandresy ny IRMAR rehefa nivoaka ny valim-pifidianana ofisialy. Volana maromaro aty aoriana vao nahazo rariny teny amin’ny filankevi-panjakana ny andaniny. Io no didy farany tsy azo ivalozana, izay nambaran’io depiote voalaza etsy ambony io, fa fandresen’ny rariny sy ny fahamarinana. Raha raisina amin’ny zava-nitranga teo aloha izany, dia manaporofo ny ahiahy fahalotoan’ny fifidianana, kolikoly goavana ara-pifidianana, ka nampitsimbadika ny 25% ho nandresy ny 75%, fa taty amin’ny filankevi-panjakana vao nahita rirany ny andaniny. Vitavita ho azy ve izany ny zavatra rehetra mety nitranga tao anelanelany tao ?
Toky R
Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…
Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa