airtel

Politique

22-févr-2024

Akaiky ny fifidianana

Takonana fanosehana borety ny tsy fiadiana ny tombotsoam-bahoaka…

Sample post image

Ho avy indray fifidianana dia manomboka misehoseho ho miasa ireo

22-févr-2024

depiote sasany tahaka ny ao Mahajanga Renivohitra, izay somary lasa resabe na niteraka « buzz » ny fihetsika nataon-dRtoa Rahantanirina Lalao na Ninah, nanosika borety manamboatra làlana. Misy ireo solombavambahoaka izay manao asa sosialy na asa hafa hatramin’izay satria misy rahateo ilay vola 250 tapitrisa Ar ao anatin’ny tetibolan’ny CIAD (Crédit d’Investissement pour l’Appui au Développement) tantanin’ny depiote, fa ao ihany koa ireo tsikaritra ho mikofokofoka satria akaiky ny fifidianana. Asana Filoha lefitry ny antenimierampirenena ve ny manosika borety sy maneho fa mamboatra làlana aty akaikin’ny fahataperan’ny fotoam-piasana ? Zava-dehibe aloha ny fandraisan’andraikitra, fa amin’ny lafiny iray dia endrika maneho aloha ny tahaka izao fa marefo na « défaillant » ny fitondrana Rajoelina, tsy mahavita ny asa tokony hataony, toa mamely ankolaka ny rafitra samihafa toy ny governemanta, ny Minisiteran’ny asa vaventy, ny faritra, ny kaominina,… izao. Raha tena nanao ny asany amin’ny maha depiote izy dia nanery ny hampiasana ny FR na « Fonds Routier », nitaky tao anatin’ny fandinihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana mikasika ny tokony hahatongavan’ny vola hikojakojana ny làlam-pirenena any amin’ny kaominina,… Mety asa bebe kokoa no mandeha sy vita ao anatin’izany raha tena voadinika anaty tetibolam-panjakana fa tsy lasa fihetsiketsehana ivelany amin’ny fanosehana borety sy « tip top », izay zary efa lasa fomba fiasan’izao fitondrana izao. Efa notaterina teto rahateo ny faran’ny herinandro teo fa na ny RN4 mampifandray an’Antananarivo sy Mahajanga, na ny làlana ao an-tanànan’i Mahajanga Renivohitra dia tapitra potika. Ny delestazy manimba ny fiharian’ireo mpandraharaha amin’ny resaka hazan-dranomasina sy ny indostria samihafa moa efa tsy lazaina intsony. Mila andraikitra avy any amin’ireo solombavambahoaka izay mpanao lalàna sy mpanara-maso ny asan’ny mpanatanteraka izany saingy samy manana ny manahirana azy angamba ka toa miova mihitsy ilay endri-pitantanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap