airtel

Politique

01-oct-2026

Alain Mahavimbina

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

Sample post image

fa ilaina ihany koa ny goaika antitra ! »

01-oct-2026

Manoloana ny fangatahan'ireo tanora GEN Z mpitolona teto amin'ny firenena , milaza fa tokony hangina sy tsy hanelingelina ny mpitondra Fanavaozana ireo Mpanao Politika goaika antitra...dia naneho ny heviny ny mpitarika ny Antoko Politika "Gasikara Antsika Rehetra" Andriamatoa Alain Mahavimbina. Nambarany fa tsy tokony hisy hahilika raha tiana ny hampandroso ny firenena. Ilaina ny tanora hoy izy noho ny tanjaka sy hery feno mbola hananany saingy ilaina ihany koa ireo mpanao politika efa goaika antitra noho ny fahamatorana sy ny traikefa efa hananany. Tsy voatery ho nanao ratsy avokoa akory ny mpanao Politika Goaika antitra fa nisy ireo tena nanan-kevitra sy tena nikatsaka izay hahasoa ny tanindrazana raha ny fanazavany hatrany. Afaka miara-miasa tsara ho amin'ny tanjona iraisana ny tanora sy ny zoky Raiamandreny mpanao politika hoy ny Filohan'ny antoko GAR hiara-mikatsaka Fampandrosoana ho an'ity Firenena iombonantsika ity. Nomarihin' Atoa Alain Mahavimbina moa fa tokony hahah hiara-kiasa ny rehetra fa tsy sanatrian'ny vava hifanipaka toy ny valala an-karona.
Pati
Légende : Alain Mahavimbina, Filohan'ny antoko politika GAR !
 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

ny politika fa fanana vina mazava tsara"

Card image cap
28-sept-2026

Misy manahy sy matahotra antsojay politika

Card image cap
28-sept-2026

Samia mijoro hanafoanana ny politika bizina

Card image cap
28-sept-2026

misakana ny fandrosoana eto Madagasikara"

Card image cap