airtel

Politique

17-janv-2025

Alain Mahavimbina

«Hisy hifamono ho faty eto isika raha izao no tohizantsika!»

Sample post image

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

17-janv-2025

Anaty fikaroham-bahaolana isika izao, hoy izy. Efa mipoaka io ilay krizy satria ny hamantarana ny fipoahan’ny krizy dia any amin’ny vahoaka. Ambony ambany izao ny fiainam-bahoaka. Miaina anaty tsy fandriampahalemana ny vahoaka. Mandry tsy lavo loha! Miaina anaty kibo tapaka na sakafo tsy ampy. Miaina anaty fikorontanana indrindra ny fiarahamonin’ny vahoaka malagasy. Tsy maintsy isika malagasy ihany no hitondra ny vahaolana ho antsika. Tsy maintsy mipetraka anatin’ny antsoina hoe «cadre légal» na fifanarahany amin’ny lalàna sy rariny koa nefa izay vahaolana izay. Mila mahay mifanampy amin’ny fifampiresahana isika. Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Samy manana ny fahaizana mampiavaka azy ny tsirairay. Izay ilay hoe «Izay tsy mahay sobika, mahay fantam-bary.». Izay fametrahantsika ny soatoavina malagasy izay no hahafahantsika mamaha olana. Ny andrasana amin’ity indray mitoraka ity, satria iaraha-mahalala fa efa maro sosona ny olana mianjady amin’ny firenena, olana izay mifototra amin’ny vahoaka sy mpitondra vahoaka ihany anefa io, ny olana politika no mahatonga ny fikorontanan’ny ara-toekarena, raha misy famatorana politika tsara mitsinjo ny hoavin’ny firenena dia ho voavaha manaraka izany koa izany ny olana ara-toekarena. Tsy latsaky ny in-4 angamba izahay tamin’ny alalan’ilay hetsika hoe MVG na «Mouvement vonjeo i Gasikara» no niteny ary ny nambaranay rehetra tao anatin’izany dia tsy nisy niala lalana. Izay noresahinay rehetra dia mipoitra daholo amin’izao. Tsy azo tohizana izao zava-misy izao! Hisy hifamono ho faty eto isika raha izao no tohizantsika! Mba tsy hahatongavana amin’izany ady an-trano izany dia andao isika hijery lala-mahintsy mivoaka amina lalan-tsaina madio avy amintsika rehetra. Na mpanao politika na fiarahamonim-pirenena na ny fiarahamonina ivondronan’ny malagasy rehetra na ara-pivavahana na ara-drazana, aoka isika hametraka zavatra itoviana tsy mivoana amin’ny ara-dalàna sy ara-drariny mba iverenan’ny firenena amin’ny maha izy azy ka hahafahan’ny mpiara-miombon’antoka hiverina hanana fahatokisana amintsika! Be dia be ny lalàna azo ampiasaina hamahana izao olana izao. Ohatra amin’izany ny didim-pitondràna 2015-957 izay miresaka ny Rafitra ifotony fikaonandoha na RIF. «Structure local de concertation» na SLC izy raha amin’ny teny vahiny, izany hoe, mampihatra ny antsointsika hoe demokrasia mivantana satria tena fisoloana tena ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap