airtel

Politique

22-janv-2024

Alain Mahavimbina

“Traikefa no tokony jerena aloha vao diplaoma!”

Sample post image

Miankina amin’ny fomba fijerin’ny eto amin’ny firenena sy iraisampirenena,

22-janv-2024

na ireo mpisehatra politika izany na ny banky iraisampirenena, no ahafahana mamaritra ny iraka na “mission” tokony ataon’ny governemanta vaovao, hoy ny filohan’ny antoko politika Gasikara antsika rehetra na GAR sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina. Raha tsy misy ny fahafantarana voalohany indrindra hoe inona no tanjona ho tratrarina? Ahoana no hanatrarana azy? Iza no hanatanteraka azy? Tsy hisy andeha amin’ny laoniny eo raha tsy fantatra ireo. Amin’ny fitondram-panjakana izany izao dia ny fananana diplaoma ambony no midika fa mety fananana fahaiza-manao hamahana ny olana mianjady amin’i Madagasikara rehetra, amin’ireo vahoaka mahantra ao anatina firenena iray isan’ny manankarena indrindra. Tsy dia iombonako hevitra izay fomba fijery izay satria M adagasikara dia mbola voasokajy ho firenena iray mifototra amin’ny fambolena sy fiompiana. Manodidina ny 80%n’ny mponina eto na latsaka kely, raha ny famaritan’ny sampan-draharaha misahana ny tarehimarika azy, dia mpamboly sy mpiompy na hoe tantsaha eto Madagasikara. Tany malalaka i Madagasikara ary azo amboarina tsara. Ahazoana mamokatra ary azo lazaina ho firenena manana tanora betsaka koa izy. Ny fametrahana ilay mason-tsivana na “critère” hoe “diplômé” na manana marim-pahaizana amiko dia tsy tena mitombina loatra. Traikefa sy fahaiza-manao no tokony nojerena! Raha “diplômé” tany amin’ny firenen-kafa tsy mahalala ny zava-misy na “réalité” eto amintsika. Ny kolontsain’ilay firenena nianarany no ho entiny eto. Mety tsy hifanaraka amin’ny zava-misy eto. Traikefa sy fahaiza-manao no tokony nanendrena minisitra! Mpitondra fanjakana izany mpitarika sy olo-mahay mitarika, izany hoe izy no natao hitady ny olona hiara-hiasa aminy. Be dia be ny tekinisianina manodidina azy. Tokony hahay hifidy ny olona miara-miasa aminy mifanaraka amin’ny tanjona tiany ho tratrarina ny minisitra. Ny traikefa no tokony jerena aloha vao diplaoma! Mora ny mitarika olona manan-traikefa eo anatrehan’ny diplaoma ananany. Tena avy amin’ny fahaizany nametrapetraka tany anaty adina am-bava natao taminy hoe izao no fomba hitantanany ny minisitera misy azy sy ny fahalalany ve no nifidianana ireo minisitra ireo?
TSY TOKONY HO ANY ANATY FIADIDIAN’NY REPOBLIKA IZANY SEKRETERAM-PANJAKANA IZANY
Mikasika ilay hoe sekreteram-panjakana miisa 9 hisahana andraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika na “présidence” indray, amin’ny maha mpahailalàna ny tena, dia natao hifandray anaty governemanta izany sekreteram-panjakana izany fa tsy tokony ho anaty fiadidiana ny repoblika. Tokony amboarina kely iny. Rantsa-mangaika na “organe” no tokony anaty fiadidiana ny repoblika fa tsy sekreteram-panjakana. Ratsa-mangaika manokana na “organe spéciale” satria eto Madagasikara dia 2 loha ny rafitra eto na “exécutif bicéphale”, izany hoe, ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika izay tarihin’ny filoham-pirenena sy ny governemanta. Ny filoham-pirenena no natao hamaritra ny praogramam-panjakana na PGE. Ny governemanta no manatanteraka an’izay ho tonga vokatra azo tsapain-tanana amin’ny fiainam-bahoaka sy fiainam-pirenena. Ilay “organe spéciale” izany no manaraka ny fomba fiasan’ny governemanta sy manao ny tombana na “évaluation” momba izany hoe tanteraka ve sa tsia ilay izy? Manampy ny filoham-pirenena izy fa manampy ny governemanta koa mijery ny lafiny mifanaraka amin’ny lalàna hahafahana manatanteraka izany. Tsy mandany volam-panjakana be mihoatran’ny hoe hanangana sekreteram-panjakana miisa 9 izany. “Obligation de résultat” na filàna vokatra tsinona no mipetraka amin’izay fa tsy filàna tetibola na “obligation de budget” ohatran’ilay manangana sekreteram-panjakana miisa 9. Mety hiteraka olana eo amin’ny minisitera sy fiadidiana ny repoblika koa io, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap