airtel

Politique

26-janv-2023

Politique

Alatsinainy mainty 14 taona katroka anio

Sample post image

Feno 14 taona katroka anio 26 janoary 2023 ny alatsinainy mainty na “lundi noir”, fotoana nahamainty tanteraka ny lanitr’I Iarivo.

26-janv-2023

Io alatsinainy mainty 26 janoary 2009 io no ivon’ny fanonganam-panjakana sy ny famotehana teto amin’ny firenena. Fotoana isan’ny nampitsiriana ny kolontsain’ny ory hava-manana sy ny barofo, hany ka maro ireo fananan’olona norobaina sy nopotehina teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra maro. Anisan’izany ny an’ny filoha tamin’izany fotoana. Mandrak’ity ny androany, betsaka tamin’ny fananan’olona potika sy rava tamin’izany no tsy fafarina intsony, betsaka ny olona no niova tanteraka ny fiainany nanomboka teo, potika sy rotika ary tapi-dalan-kaleha,… Ny fananana potika sy rotika mety tafarina ihany, fa manao ahoana ny firenena amin’ny ankampobeny 14 taona aty aoriana? Nitondra soa sy fivoarana ho antsika ve ny revolisionina nodradradraina tamin’izany sa novidian-dafo mandrak’androany? Efa miadana sy mihinana vary 500Ar/kg sy menaka 2500Ar/L ve ny vahoaka Malagasy ankehitriny? Mbola nahazo fahefana indray ny tompon’andraikitra tamin’izany ka aiza ho aiza ny fiainam-bahoaka Malagasy amin’izao? Matoa nanao revolisionina sy nandrombaka fahefana dia tokony hahavita bebe kokoa noho ny nahongana na nodimbiasana, ary tokony ho lesona ho an’ireo izay mieritreritra mbola hitondra firenena izany. Tsy finiavana hitanisa ny lasa sy hamoha fotamandry, fa kosa mila ampahatsiahivina ny tantara, mba hakana lesona. Akaiky fifidianana, ary ao anatin’ny vanim-potoana mafampana rahateo I Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap