airtel

Politique

05-avril-2024

Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina

Roahan’ny Fitondrana Rajoelina Rtoa Isabelle Delattre…

Sample post image

Nandefa ny antontan-taratasy fangatahana fanoloana ny Ambasadaoron'ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika Rtoa Isabelle Delattre-Burger i Andry Rajoelina tamin'ny alalan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben'ny Diplaomasia Malagasy.

05-avril-2024

Voalazan’ny vaovao samihafa fa nalefan-dRtoa Rasata Rafaravavitafika tamin'ny Josep Borrel, tompon'andraikitra amboniny misahana ny raharaham-bahiny eo anivon'ny Vondrona Eoropeanina ny taratasy manokana mangataka ny fanoloana ity diplaomaty ity izay tonga teto ny septambra 2022. Roahana amin’ny fomba diplaomatika amin’ny alalan’ny fangatahana fanoloana izany ity diplaomaty ity, ary raha ilay fanasokajiana “persona non grata” izay notaterin’ny vaovao samihafa omaly aza, dia fandidiana hiala ny firenena no tena heviny. Anton’io, ny fanehoan-kevitr’ity diplomaty ity ny 26 febroary 2024, niresaka ilay lalàna momba ny famosirana. Izy izay nilaza tamin'izany fa tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana Malagasy sy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona sy ny fanoherana ny fampijaliana manohintohina ny mahaolona nosoniavin'i Madagasikara io lalana io. Famoahan’ny fitondrana izany ho manan-kery sy neken’ny HCC ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenaana ny setriny. Nampanantsoin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny ity diplaomaty avy eo, nilazana fa manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara. Tsy iny resaka iny ihany anefa fa betsaka ireo endrika tsy fahaiza-mitantana notsikafoniny toy ny fitakiany ny mangarahara momba ny nampiasana ny volan’ny Fonds Routier, manoloana ny faharatsian-dalana eto Madagasikara, ka nilazany fa tsy mahatoky ny mpamatsy satria lalana tokony haharitra15 taona kanefa fotoana fohy dia potika. Ireny niampy ireny ny porofo toy ny RN5A Ambilobe-Vohémar izay nolazain'Atoa Andry Rajoelina fa manara-penitra sy haharitra 25 taona, kanefa tsy ampy 2 taona dia nisy ampahany potika tanteraka. Vao tamin’ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo ohatra no nitaterana fa hanetsika ny famatsiam-bola avy amin’ny BEI na Banky Eoropeanina momba ny fampiasam-bola hanamboarana ny tetezan’I Mahavatsy any amin’ny RN6 ka mialohan’ny hisamboram-bola dia roahana aloha ny ambasadaoron’ny mpampindrana? Nanaovany tsindro-paingotra ihany koa ny resaka demokrasia sy ny zotram-pifidianana, ny fiainam-bahoaka,… ka heverina fa tsy levon’ny vavonin’ny fitondrana. Voalaza fa efa nanamarina an’io fangatahana fanoloana io ny SEAE (Service européen d'action extérieure), kanefa eo am-pandinihana ny fangatahana fanoloana an’io diplaomaty io izay nataon’ny Mpitondra Malagasy. Tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny RFI kosa no nilazan’ny delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina ny fanekena an’io, saingy nitondrany fanamarihana fa lava ny dingana. Mety ho any amin’ny jolay na aogisitra any no ho tanteraka, saingy ho sarotra ny fitadiavana solony. Mifandraika amin’ny raharaha politika anatiny, dia nambaran’ny vaovaon’ny Africa Intelligence fa isan’ny nandray anjara tamin’ny fanakanana ny fikasana hanongana ny Filohan’ny Antenimierampirenena talohan’ilay teo Rtoa Isabelle Delattre-Burger sy ny mpikambana hafa maromaro eo anivon’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena noho ity farany izay voalaza fa hany Filoham-panjakana marin-toerana sy to teny noho izy voafidy 100%, saingy iny naongan’ny IRD iny, izay mety hanaratsy endrika eo anatrehan’ny iraisam-pirenena.
HANAO AHOANA NY HO FIANTRAIKANY ?
Amin’ny diplaomasia dia fanao tokoa ny mampiantso sy manao « rappel à l’ordre » na mandroaka ilay ambasadaoro manasokajy azy ho “persona non grata” mihitsy raha ilaina, izay tena zon’ilay firenena tanteraka. Amin’ny lafiny iray anefa, ahiana ihany ny « incident diplomatique » na karazana fifandirana sy voka-dratsy aterak’izany, indrindra fa zavatra mitombina sy marina no nambaran’ilay diplaomaty. Tsy mandehandeha ho azy ny fanambaran’iny diplaomaty iny, izay marihina fa tsy firenena iray no soloany tena fa Vondrona Firenena mahatratra 27. Ny Vondrona Eoropeanina no isan’ny mpiara-miombon’antoka ara-barotra, ara-toekarena,… voalohany amin’i Madagasikara amin’ny alalan’ireo tetikasa samihafa vatsiany vola. Ny endrika isehoany, dia toa hampitoviana lanja amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena rehefa tsy levon’ny mpitondra ny zavatra nambarany sy ny fanatsikafonany ny tsy mety dia nosokajiana ho mpanakorontana. Eto indray izany diplaomaty no manirikiry ny fitondrana ka trongisiny hiala eto. Hanao ahoana ny ho akony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena? Fandresena ho an’ny Fitondrana Rajoelina ve ny fahombiazan’ny fialan-dRtoa Isabelle Delattre-Burger eto?
Toky R

 

 


 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap