Tahaka ny tany amin’ireo fokontany hafa ao anatin’ny Boriborintany faha-6, vitan’i Depiote Todisoa Andriamampandry ihany koa lalana mirefy 800m, fa tsy diso anjara ny vahoakan’Ambodimita. Nidina teny an-toerana nijery ny asa ka nitafa mivantana tamin’ireo mponina ny tenany, ka entanina hatrany ny vahoaka mba hikojakoja foana ireo fotodrafitrasa maro efa vita, hoy ity depiote ity. Tsy vao sambany tamin’ny asa sosialy, indrindra fa ny fanajariana ny tanàna amin’ny alalan’ny fanamboarana ireo làlana noho ny fangatahan’ny mponina nataon’ity depiote ity io, ka nohamafisiny fa samy mahazo ny anjarany avokoa moa ny 31 fokontany. Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy, hoy hatrany ny depiote Todisoa Andriamampandry nanamafy ny fahavonany hifanome tànana hatrany na dia tsy andraikitry ny depiote aza.
Toky R
Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra
Notanterahina omaly alakamisy 13 febroary 2025 teny amin’ny Antenimierampirenena ny fihaonana
Ny zava-miseho rehetra ankehitriny dia vokatry ny fifidianana, hoy ny antoko politika Teza.
Namana enina (6) mpiaro ny tanin’ny mponina voatazona atao andrimaso (garde a vue)