airtel

Politique

02-mai-2024

Fitondrana efa TGV-Mapar 95%

Mbola ny mpanohitra ihany no lazaina fa diso

Sample post image

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

02-mai-2024

mihitsy ny olona hifidy kandidam-panjakana. Ianjadian’izany ny mpiasam-panjakana sasany, ary betsaka ny endrika maneho ny fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana na voararan’ny lalàmpanorenana, araka ny andininy faha-38 aza. Ny fampianarana iniana atongilana, ny fitsarana atao fitaovana, ny tafika ampifandrafiana amin’ny vahoaka,… Tsy mety afa-po ny volomboasary fa manao izay hibakoana 100% ny rafitra sy fahefam-panjakana rehetra. Ankehitriny anefa, ny Filoha TGV, ny Praiminisitra TGV, ny antenimierandoholona 98% TGV-MAPAR, ny antenimierampirenena TGV-MAPAR ny maro an’isa, ny governora saika TGV-MAPAR avokoa, ny sefom-pokontany maro ny TGV-MAPAR fa izay tsy manaraka loko dia esorina, ny Fitsarana ezahan’ny TGV atao fitaovana fa betsaka no manomboka tonga saina, ny mpitandro ny filaminana ampiasain’ny TGV amin’izay ilany azy. Rehefa tombanana 90 hatramin’ny 95% TGV-MAPAR daholo no anaty rafi-panjakana sy mpanapa-kevitra. Ny Malagasy anefa miha mahantra hatrany noho ny tsy fahaiza-mitantana. Dia io fa mbola mandeha kajikajy maro hampandresena ny TGV-MAPAR, hany ka hatramin’ny Filoham-pirenena aza raha nikabary tany Fenoarivo Atsinana tapa-bolana lasa izay dia nilaza ankahirahary mihitsy hoe : anjaranareo no misafidy na ireo olona miaraka amiko na ireo mamadika ahy sy ireo misakana fampandrosoana. Inona no fampandrosoana sakanan’ny mpanohitra ? Moa tsy nalalaka tamin’ny fanapahan-kevitra nataony ny Fitondrana TGV eny fa hatramin’ny diplaomaty vahiny aza roahana ankolaka sy angatahana hosoloana rehefa manohintohina an’izay tiany hatao ? Malalaka tamin’ny zava-drehetra, eny fa na mety nanao ny tsy fanao aza toa heverina ho vitavita ho azy eny, raha tsy hilaza afatsy ny resaka Fanjakana tsy tan-dalàna, tsy fanajana ny fisaraham-pahefana,… fa mby aiza ny firenena ankehitriny ? Firenena anatin’ny 10 voalohany be kolikoly indrindra araka ny tatitry ny World justice Project. Lohalaharana amin’ny kolikoly sy fanodinana volam-panjakana ny avy amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny fahefana mpanao lalàna, araka ny tatitry ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly,… Ny tahan’ny fahantrana ambony indrindra teo amin’ny tantara satria mahatratra 80,7%, ny orinasam-panjakana tapitra maty sy mikoroso fahana : Jirama, Air Madagascar, SECREN, CNaPS,… Efa niainana teto ny tetezamita 5 taona taorian’ny 2009, niainana ny 5 taona faharoa ny 2019-2023, dia mbola hanantena fahagagana ihany ve isika ? Ny manova no mety, ary isan’ny kihon-dalana ny fifidianana depiote!
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap