airtel

Politique

16-mai-2024

Kolekitifa an’ny Malagasy – Avaradrano

Sahy hiady hisian’ny tany tan-dalàna eto Madagasikara

Sample post image

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

16-mai-2024

hoy ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao Avaradrano omaly. Vonona ary sahy hiady ho fametrahana an’izany ireo kandida Solombavambahoaka ho an’ny Fanovana tarihin’ny Kandida Hajo Andrianainarivelo araka ny nambaran’izy ireo teny Ambohimanambola sy Ambohimangakely. Hihemotra hatrany i Madagasikara raha mbola ny goragora, ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny fanaparam-pahefana no manjaka hoy ny kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ao amin’ny Distrikan’Avaradrano. Hitondra ny fanovana, hamerina an’i Madagasikara ho ao anatin’ny tan-dalàna no isan’ny antony andraisana anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity hoy izy ireo. Antom-pijoroana sy nahatonga ny kolekitifa an’ny malagasy handray anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity ny hanohy ny tolona efa natomboka tamin’ny taona lasa, ny hisian’ny fanovana eto amin’ny firenena. Fanovana eo amin’ny fanaovana politika, toy ny tsy fanekena intsony ny faneriterana ireo mpiasam-panjakana hanohana sy hampandany kandida iray, fa fanovana ihany koa eny anivon’ny Antenimierampirenena, mba tsy ho solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny tahaka ny zava-misy ankehitriny. Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap