airtel

Politique

16-mai-2024

Mpitondra mandika lalàna…

Mbola mihatra sy manan-kery ve ny lalàmpanorenana ?

Sample post image

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

16-mai-2024

Voararan'ny lalàna ny fampielezan-kevitra ataon'ireo misahana andraikim-panjakana, ny mampiasa fitaovam-panjakana. Tsy tokony hitanila, na hisahana asan'antoko, na asam-pivavahana ny Filoham-pirenena, araka ny lalàmpanorenana andininy 49, izay milaza fa ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina aminà asam-panjakana nahavoafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao anatin’ny antoko politika, vondrona politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana. Izay rehetra fandikana ireo fepetra voalazan’ity andininy ity, voamarin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia zary ho antony amin’ny tsy fahafahana miasa tanteraka ho an’ny Filohan’ny Repoblika. Tena voahaja sy hajain’ny Filoham-pirenena ve izany ? Tena narahana ve ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana mamaritra fa iantohan’ny Filoham-pirenena ny firaisam-pirenena ? Ny resaka tsy fampiandaniana ny fitantanan-draharaham-panjakana toy ny fampianarana, ny fitsarana, ny tafika,… iantohan’ny Fanjakana araka ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenana moa dia toa efa hatry ny ela no nitsahina raha tarafina amin’ireo endrika fanerena ny mpampianatra hanohana kandida TGV, ny fampiasana fitaovam-panjakana sy fananam-panjakana toy ireo jiro na fitaovana amin’ny anaran’ny Fanjakana toa lasa fitaovana hanangonana olona amin’ny propagandy ankolaka, fihazakazahana manolo ny sefom-pokontany ho TGV,… Mihafamafy ny Fanjakana tsy tan-dalàna. Mbola ilaina ve ny lalàmpanorenana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap