airtel

Politique

16-mai-2024

Fitondrana matahotra mpanohitra

Raikitra ny "tosika propagandy"

Sample post image

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

16-mai-2024

Voararan’ny lalàna ny fitokanan-javatra ao anaty vanim-potoanan’ny fifidianana, ary tsy tokony hitanila ny Filoham-pirenena, saingy hikipiana io, kanefa miendrika an’izany ny zavatra atao. Vao ny 8 mey no nampahatsiahy an’io ny HCC. Saika ireo toerana tena misy kandida atahorana no hanaovana fitetezam-paritra sy fihetsiketsehana ary ampisaina hatramin’ny anaran’ny Filoham-pirenena amin’ny fampisehoana ataona artista. Tao anatin’ny Faritra Vakinankaratra omaly, ka tany Antanifotsy nanolotra ny CSB II, tany Mandoto nanolotra tranompokonolona, avy eo nanolotra ny tetezan’i Manandona any amin’ny RN7, nizarazara jiro,… Anio kosa any Antsirabe, Ambatofinandrahana, Manandriana, Fianarantsoa. Hitohy any Vohibato, Ikongo, Ivohibe rahampitso,… Hatramin’ny 27 mey dia distrika 34 no hitsidihin’i Andry Rajoelina, Toamasina, Ambatondrazaka, Brickaville no hamaranana azy. Fifandrifian-javatra ihany ve ny fisafidianana ny fotoana sy ny toerana sa mifangaro tosika propagandy hanosehana ny kandidan’ny IRMAR ? Matahotra ny mpanohitra ny fitondrana, ary fantany fa kivy ny vahoaka. Raha tena mahatoky tena ny fitondrana tsy hiditra an-tsehatra mivantana na ankolaka amin’ny propagandy ny mpanatanteraka, fa mahatoky ny fahombiazany, ary hanaraka ho azy ny vahoaka fa tsy mila vidiana ankolaka amin’ny fizarazarana zavatra sy hanaovana sarintsarim-pitokanana hanangonana olona. Ho any Ambatofinandrahana, ao anatin’ny Kaominina Midongy andrefana, hanolotra ny BOA (Base Opérationnelle Avancée). Ambatofinandrahana izay iaraha-mahalala, fa mafy ny kandida Christine Razanamahasoa, ary vao herinandro lasa no nidina ifotony tany ny lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny fitondrana sy ireo vovonana mpiara-dia no nidina tany,… Mandeha ny fomba sy tetika rehetra tsy hampandaniana an’i Christine Razanamahasoa. Ity farany izay raha tafaverina ho depiote dia izy no hitarika ny fivoriana voalohany ao Tsimbazaza amin’ny maha zokiolona indrindra na « Doyenne » ary manana herijika ho tafaverina ho Filohan’io andrim-panjakana io, raha mahazo maro an’isa ny avy amin’ny mpanohitra sy ny tsy miankina. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia misy radio any amin’io kaominina Midongy Avaratara io saingy nakaton’ny eo anivon’ny distrika. Mitovitovy amin’izany ihany koa ny any Ikongo, izay sarotra ny handresy an’Atoa Brunelle Razafitsiandraofa izay IRD teo aloha no niala, efa naongan’ny IRD tsy ho filoha lefitry ny antenimierampirenena, fa nitsefotra. Nanatsikafona ireo tsy fanjariam-pitantanana maro samihafa, nampiaka-peo tamin’ny mizana tsindrian’ila toy ny hoe : ny làlana manerana ny distrika no tokony hamboarina kanefa tsy vita fa ny teleferika hitrosana vola tsy toko tsy forohana amin’ny anaran’ny Malagasy no hihazakazahana. Isan’ny distrika lasibatra tamin’ny olana samihafa i Ikongo, saingy tsy tena voajery, kanefa hihazakazahana izany rehefa akaiky fifidianana ?
TSY MATOKY TENA…
Ny Faritanin’i Toamasina ihany koa, dia manahirana mafy ny fitondrana ny depiote Roland Ratsiraka, ka atosika mafy ny kandidam-panjakana. Ireny niaraha-nahita ny governora efa niala tamin’ny toerana izay nipetraka taorian’ny Filoham-pirenena tamin’ny diany tany Toamasina. Ampahany ireo, fa tena tsy mahatoky tena ny fitondrana ka raikitra ny tosika propagandy, atao fitaovana ny fananam-panjakana sy ny volam-panjakana,… Tsy hitan’ny mason’ny haraton’ny CENI sy HCC izany !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap