airtel

Politique

03-mai-2024

Kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano

Tsy maintsy manova isika, mila fandrosoana mipaka any am-bilany

Sample post image

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

03-mai-2024

faharatsian-dalana, tsy fandriampahalemana, toeram-pitsaboana tsy zarizary, filàna vola na amin’ny sekolim-panjakana aza,… hoy ny Kolekitifan’ny Malagasy ao Avaradrano. Antom-pijoroana sy nahatonga ny kolekitifa an’ny malagasy handray anjara amin’ity fifidianana Solombavambahoaka ity ny hitondra ny fanohizana ny tolona efa natomboka tamin’ny taona lasa, ny hisian’ny fanovana. Fanovana eo amin’ny fanaovana politika, toy ny tsy fanekena intsony ny faneriterana ireo mpiasam-panjakana hanohana sy hampandany kandida iray, fa fanovana ihany koa eny anivon’ny Antenimierampirenena, mba tsy ho solombavambahoaka ho mpananga-tanana fotsiny tahaka ny zava-misy ankehitriny fa ho Solombavambahoaka, hikatsaka ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy maro an’isa. Olana isan’ny niverimberina nandritra ny fitetezan’ny kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny malagasy ao Avaradrano ireo Kaominina mandrafitra ity distrika ity ireo. Fahasahiranana, izay tsy ho voavaha raha tsy hirosoana ny fanovana, hoy ny kandida avy amin’ny Kolekitifa an’ny malagasy tarihin’i Hajo Andrianainarivelo sy Andry Ratavilahy ny Alarobia teo tao amin’ny Kaominina Vilihazo sy Fiaferana. Noho izany, niara-nanaiky ny rehetra fa tsy maintsy hirosoana ny fanovana, hisian’ny fampandrosoana mipaka amin’ny aty vilanin’ny malagasy. Fotoana ihany koa io nampahafantarana bebe kokoa ireo kandida sy ny mpiray lisitra aminy, Rija Andriamiadana sy Lucien Denis Rakotomalala, narahin’ny fihainoana sy nitondran’ireo mponina eny ifotony ny zavatra iainan’izy ireo amin’ny andavanandro. Nanamafy ireo kandida fa ho arahi-maso ny lalàna, fa tsy atao ambanin-javatra ihany koa ny fanaraha-maso ny fandaniana sy ny fampiasana volam-panjakana, mba ho asa hisy fiantraikany amin’ny fiainana andavanandron’ny vahoaka, mba holaniana amin’ny tombotsoan’ny maro an’isa. Nandritra ny fihaonana tamin’ireo Solontena isam-pokontany, nanamafy ny fanentanana ireo mpiara-mikatroka, olom-pirenena ihany koa ny kandida an’ny Kolekitifa an’ny Malagasy hifanome tanana aminy, entina hampandresena ny Kandidan'ny Fanovàna avy amin’ny Kolekitifa an’ny Malagasy. Fanovana izay hatomboka ao amin’ny distrikan’Avaradrano ary hipaka amin’ny firenena amin’ny maha solombavambahoakan’i Madagasikara. Fanovana izay ho sarotra ny fanatanterahana azy raha tsy mahatsiaro ho tompony ny isam-batan’olona ka andray ny andraikitra amin’ny maha olom-pirenena amin’ny faha-29 mey izao, hanefa ny adidiny ho an’ny taninjanaka. Hifidy fa ihany koa, hiaro ny safidiny manoloana ireo paipaikady samihafa efa ataon’ny sasany any ambadimbadika any, hoy ny Kolekitifa an’ny Malagasy Avaradrano.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-juil-2024

Tsy manary namana ny Filoha Rajoelina, izaho no « bête noire » an’ny mpanohitra,

Card image cap
18-juil-2024

Nijanona ho resaka ambony latabatra sy fangaronan-dela ara-politika aloha ilay hoe :

Card image cap
18-juil-2024

Manoloana ny fanenjehana ara-politika miseho lany ankehitriny dia nanambara ny antoko politika

Card image cap