airtel

Politique

05-déc-2024

Ampamoakan’i Ihajason

Randriamanalintsoa «Nofihinin’ny depioten’Ambohidratrimo ny dosieko tamin’ny anaran’ny TIM»

Sample post image

Na ny namana ao amin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM aza hatreto dia mbola

05-déc-2024

tsy mino hoe tsy nilatsaka tamin’ny anaran’ny TIM ny tenanay, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’Ambohitrimanjaka lany tamin’ny anaran’ity antoko ity teo aloha, Ihajason Randriamanalintsoa; izay nanapa-kevitra ny hilatsaka amin’ny maha tsy miankina azy kosa ankehitriny. Ho azavaiko tsara ny antony, hoy izy. Ny naoty navoakan’ny filohan’ny antoko, Marc Ravalomanana, ny 20 jolay 2024, nitondra ny laharana 220, izay nampiantso ny fivorian’ny fototra na «base» hanendrena ireo olona miisa 3 ho arotsaka amin’ny anaran’ny TIM teto Ambohitrimanjaka. Ny filohan’ny COMTIM tety moa no tomponandraikitra voalohany mikasika an’izay. Nandray ny fandraketana an-tsoratra ny fivoriana na PV rehetra io. Notanterahina ny 28 oktobra teo ny fivorian’ny «base». Isan’ireo notendrena ho fantenina ho kandidà eto Ambohitrimanjaka ny tenako, raha ny tapaka tao. Nisy olona miisa 2 nantsoin’ny depiote voafidy taty Ambohidratrimo hoe tongava ianao fa mivory ato hifantina izay ho kandidà ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka ny COMTIM. Tao io no nanolotra ny tenany ho fidiana amin’ny anaran’ny TIM nefa izy tsy TIM tao anatin’ny 5 taona nitondrànay. Ny taona 2009 io olona io no TIM farany. Olona voatendry ho CST tao anatin’ny tetezamita tamin’izany io olona io rehefa voatery nanao sesitany ny tenany tany Afrika atsimo ny filoha Ravalomanana ary tsy vitan’ny hoe niala TIM fa niaraka mihitsy indray tamin’ny TGV nialohan’io niverenany ho TIM io indray. Tsy fantatry ny filohan’ny TIM izany. Rehefa natao moa ny PV, izay nalefa tany Ambohidratrimo, dia anjaran’ny depiote no mampiakatra azy tany amin’ny foibe na QG. Herinandro talohan’ny nivoahan’ny fanapahana izay ho kandida nefa dia nilaza ny tany amin’ny QG fa tsy tao ny dosienay. Efa nanao fety ilay kandida iray hoe izy irery no kandidàn’ny TIM amin’ny alalan’ny depioten’i Madagasikara voafidy teto Ambohidratrimo. Nivoaka izany ny alakamisy maraina. Tonga tany amin’ny sekretera jeneralin’ny TIM izahay ny alakamisy atoandro. Nanamafy io fa tsy nisy dosie momba anay mihitsy tonga tany amin’ny birao politika sy ny filohan’ny antoko. Zoma maraina vao naverina tany ilay fangatahana sy PV. Nofihinin’ny depioten’Ambohidratrimo ny dosie tokony nilatsahako tamin’ny anaran’ny TIM. Notazoniny tao fa tsy nakariny tany amin’ny tomponandraikitra, hoy hatrany ny tenany nanao ampamoaka ihany koa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap