airtel

Politique

02-déc-2024

An-dalana ny FANOVANA

Babo amin’i TAHINA Antananarivo

Sample post image

Manomboka mazava ny lalana ho an’ny kandida laharana faharoa Tahina Razafinjoelina. Nisongadina i Tahina nandritra ilay fandaharana Donak’Afon’Analakely nifanatrehan’ireo kandida

02-déc-2024

tsy hoe amin’ny maha lava ranjanana azy fa noho ny vinany sy ny fahafizany maneho hevitra, manazava ny fanatanterahana ny asa avy amin’io Vina io. Ny diabe teny amin’ny boriboritany faha 3 sy faha 5 ny sabotsy teo, dia efa mazava ny resaka fa babon’i Tahina ny mponina eto Antananarivo, indrindra fa ireo izay nisalasala na tsy tonga nifidy mihitsy tao anatin’ny 15 taona. Tsikaritra ihany koa fa tena liana ary manaraka ity kandida atolotry ny Tia Tanindrazana ity ireo Tanora. Izy rahateo amin’ny maha mpampianatra azy dia manana programa manokana ho an’ny tanora eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, fanatanjahatena ary ny teknolojia. Omaly alahady dia efa ho 3 km ny halafan’ny fira maro nitandahatra nanao dia be namakivaky an’Antananarivo, nokarakarain’ny MTR na MPiaradia amin’i Tahina Razafinjoelina. Manoloana ireo resak be iniana aely etsy sy eroa manaratsy, manenjika manoso-potoka azy dia niatrika ny antso sy ny fanehoan-kevitry ny vahoakan’Antananarivo tamin’ny alalan’ny fandaharana manokan.
SAHY MIATRIKA
tao amin’ny onjampeo Top radio ary nandeha tamina onjampeo tsy miankina maro sy tamin’ny tambazotra sosialy ny zoma lasa teo i Tahina nazava tsara tamin’ny rehetra amin’izay ny foto-kevitra ijoroany sy ny hoe tena niezaka izy va tonga tamin’io toerana misy azy io ; azo atao tsara ny manambola sy tafita amin’ny sehatry ny fampianarana hoy izy. Ary zava-dehibe, hoy izy ny fifanampiana, mila mifanampy isika fa tsy mifaninana raha te ho tafita. Notsidriany hatrany fa izay mahasoa ny olona ary mifandraika amin’ny soa iombonana no andao handaniam-bola sy ampiasana loha fa tsy resaka rendrarendra sy seho ivelany. Asa fa tsy teleferika, rano fa tsy T-shirt, fitsaboana fa tsy fampisehoana, fampianarana fa tsy koveta. Niantso ny vahoakan’Antananarivo hijoro, tsy hanaiky hovidiana, fa hiara-hanova ny fanaovana politika, hiaraka hanova an’Antananarivo, hiaraka hanova ny Firenena,… i Tahina Razafinjoelina, ka nanentana ny vahoaka ho tonga maro amin’ny 11 desambra 2024, ary hanao andrimaso ny safidim-bahoaka.
RTT

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap