Matoa isika resy tamin'ny 1896 dia nisy malagasy namadika", hoy I Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana ny Kianja Masoandro sy ny fanokafana ny Rova ny maty masoandron’ny alahady 18 jona teo. Somary nanaitra ny niresehany an’iny hoe: nisy namadika iny, izay nitantara ny faharesen’ny Andriamanjaka sy ny vahoaka Malagasy tamin’izany fotoana izany. Ny olona mamadika izany, dia avy ao anaty rafitra na vondrona iray no mamadika. Kisendrasendra ihany sa manahy ny mety hisian’ny mpamadika ao Fitondrany i Andry raha Rajoelina raha misy ny fahareseny amin’ny fifidianana eo? Ny sary politika amin’izao, ny efa mpifanandrina amin-dRajoelina, dia efa fantatra mazava, fa manao ahoana ny ao anatiny? Tena mbola milamina ve ilay Fanjakana sa efa mifanipaka tahaka ny valala an-karona? Ny governemanta sy ny antenimierampirenena tsy dia milamina intsony, misy depiote sy minisitra mifanenjika, misy depiote IRD isan’ny tena herin’ny antoko fitondrana efa namaky bantsilana fa tsy mahavoa raha izao fitondrana izao, misy lasa niara-dia amin’ny mpanao politiika heverina ho kandida Filoham-pirenena,… Raha ny sary teny Anatirova ny alahady teo, tsikaritra ny tsy fahatazanana olobe maro eto amin’ny firenena, izay mety ho fifandrifian-javatra kanefa mety misy antony hafa. Tsy tazana ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta, Filohana andrim-panjakana sasany satria toa ny Filohan’ny Antenimierandoholona ihany no tena tazana, ireo depiote izay matetika hita amin’ny lanonana mitovitovy amin’ireny,… Nahitana solontenana firenena vahiny anefa. Isan’izany ny Ambasadaoro Frantsay Atoa Arnaud Guillois tao anatin’io lanonana, ary nisy ny lahateny manokana tamin’ny teny Frantsay nataon’ny minisitra tompon-draharaha. Tsy ho voagejan’ny tantara efa lasa isika, fa tsy maintsy mibanjina ny ho avy kanefa midika zavatra goavana ireny sary ireny hoe: taorian’ny dian’ny Filoha avy tany Lafrantsa sy ny resabe momba ny fizakany ny zom-pirenena Frantsay no niseho io sary io, ary amin’ny lafiny iray dia vakoka izay mariky ny fiandrianam-pirenena anefa ny Rova, raha raisina amin’ny tantarany.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny