airtel

Politique

09-sept-2025

Andry Rajoelina

Manaja ny fahaleovantenan’ny

Sample post image

Fitsarana sy miady amin’ny kolikoly tokoa ve ?

09-sept-2025

Hatramin’ny Desambra 2023, daty nitsanganan’ny birao vaovaon’ny Filankevitra Ambony Mpitsara (CSM), omaly 8 septambra no nisy ny fihaonana voalohany tao Iavoloha teo amin’ny mpikambana sy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, izay sady filoha faratampony amin’ity rafitra ity araka ny lalàmpanorenana. Raha tsiahivina, ny CSM dia rafitra voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana, miandraikitra ny fiantohana ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny fitantanana ny làlan’asa ataon’ny mpitsara: anisan’izany ny fanendrena, ny fampiakarana andraikitra, ary ny fanasaziana. Misy mpikambana 21 ao aminy:4 amin’ireo dia mpikambana araka ny toerany (Filohan’ny Repoblika, Minisitry ny Fitsarana, Filohan’ny Fitsarana Tampony, ary Tonia ambony eo anivon’ny Fitsarana Tampony) ; 14 mpitsara voafidy, 2 mpampianatra mpikaroka, 1 solontenan’ny fiarahamonim-pirenena. Anisan’ireo nanatrika ny fotoana ny Minisitry ny Fitsarana Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambaran’i Andry Rajoelina fa vonona hanome tànana mba hisian’ny fitsarana azo itokisana izy. Nilaza kosa ny Sekretera Jeneralin’ny CSM Atoa Zafimihary Marcellin fa nitandro hatrany ny hasin’ny fitsarana ny Filoham-pirenena. Nambarany fa nanaja tanteraka ny andininy faha-104 ao amin’ny Lalàmpanorenana ny Filoha satria tsy mbola nanao na nampanao fidirana mivantana amin’ny sehatry ny fitsarana hatramin’izay, raha ny filazany. “Izany no manome lanja sy fahatokisana ho an’ny mpitsara sy ny rafitra iray manontolo,” hoy izy. Nohamafisina fa vonona hiara-hiasa amin’ny Filoham-pirenena ny rafitra amin’ny ady amin’ny kolikoly sy amin’ny fanamafisana ny tany tan-dalàna eto Madagasikara. Fanambarana izay mampiseho finiavana hanamafy ny fahaleovantenan’ny fitsarana, sy hanatsara ny fifandraisana amin’ny fahefana mpanatanteraka, raha ny akon’ny fihaonana. Tena arakaraka izany ve ny vokatra ? Ny tondro momba ny kolikoly ? Betsaka ireo toe-javatra sy teboka niteraka tsikera goavana ho an’i Andry Rajoelina tamin’ny fitondran-draharaha ara-pitsarana teto indrindra manodidina ireo afera goavana toa ny raharaha Ambohomalaza, ny raharaha Kolonely Patrick Rakotomamonjy. Tena tsy nisy baiko tokoa ve toy ny nilazana hoe : «avoahy ny vadiny » tamin’ny raharaha mikasika io manamboninahitra io ? Tahaka izany ihany koa ny fanoritsoritana mialoha ireo lazaina fa marina momba ny raharaha Ambohimalaza izay asany ve sa asan’ny Fitsarana ? Firifiry ireo fanenjehana ara-politika ahiana ho nisy baiko politika nidina avy any anaty Fanjakana ? Tena filamatra amin’ny resaka ady amin’ny kolikoly sy fametrahana Fanjakana tan-dalàna ve ny Fitondrana Rajoelina eo anatrehan’ireny afera maro izay ny olona akaiky azy aza no isan’ny lohalaharana : Tale kabinetra tamin’izany, Sekretera Jeneralin’ny fiadidian’ny repoblika teo aloha, minisitra teo aloha,… Ampahany ireny, fa betsaka ireo tsikera manodidina ny Fanjakana Rajoelina mikasika ny tsy fanajana ny fisaraham-pahefana, tsy fisian’ny Fanjakana ta-dalàna,... Tena manaja ny fisaraham-pahefana sy ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ary tena miady amin’ny kolikoly tokoa ve ny Filoha sy ny Fanjakana tarihiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap