hoentina hitsipahana ny firotsahana sy fahalanian-dRajoelina tamin’ny 2018 noho ilay fahazoany zom-pirenena Frantsay, ka mahavery ny zom-pirenena Malagasy, raha raisina amin’ny andininy faha-42 amin’ilay didy hitsivolana 60-064 ny 22 jolay 1964. Nambara fa natao tao anatin’ny “visioconférence” manokana teto Antananarivo omaly 22 aogositra tamin’ny 9 ora io, ka nitarika ny fitsarana ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa. Tahaka izao ny didy: tsy azo raisina ny hanatanterahana ny fitsarana azon’ny rehetra hatrehina; Tsy mahefa hiteny sy hitsara hoe very ny zom-pirenen-dRajoelina ny HCC; Tsy azo raisina ny fangatahana fandavana ny firotsahan-dRajoelina tamin’ny 2018 sy ny fanonganana azy amin’ny toerany. Nampahafantarina an’io fanapahana io i Andry Rajoelina, ary navoaka amin’ny gazetim-panjakana ofisialin’ny Repoblika izany. Efa nampoizina ihany ny fanapahana, raha tarafina amin’ny ara-politika sy ny endriky ny HCC, izay misy ny olona notendren’ny Filoha, misy vady andefimandrin’ny tompon’andraikitra ambony any amin’ny Fiadidian’ny Repoblila, na ekena aza fa lalàna no nametraka azy ireny teo. Raha raisina amin’io fitsipahan’ny HCC sy filazan’ny HCC fa tsy mahefa io, dia tsy foana ny firotsahan-dRajoelina tamin’ny 2018, tsy very ny zom-pirenena,… Heverina fa hanao randra-tarihina amin’io noho izany ny fahazoany ny “certificat de nationalité” indray izay isan’ireo dosie 15 ilaina amin’ny firotsahan-kofidiana. Ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana rahateo no milaza, fa tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny kandida. Hatreto dia mazava ho azy fa hahazo izy ilay “certificat de nationalité” I Andry Rajoelina ary rehefa tonga any amin’ny HCC ny dosie dia ho raisina ny filatsahan-kofidiany satria nahafeno fepetra izy? Nisy moa ireo mpanao politika sy kandida ho Filoha tahaka an’I Hajo Andrianainarivelo fa tsy afaka mirotsaka I Andry Rajoelina noho iny resaka zom-pirenena iny, ary hanao andrimaso ny resaka dosie firotsahan-kofidiana. Nilaza fa ny lalàna no tokony harahina sy hampiharina ka nilaza fa hotsarain’ny tantara eto izay mpitsara sahy hamoaka “certificat de nationalité” ho an-dRajoelina. Inona no mety ho setriny avy amin’ny fanoherana? Voahaja ve ny soatoavina Repoblikanina sy ny Fanjakana tan-dalàna? Hampilamina ny toe-draharaha politika ve ity? Tsy efa làlana mizotra makany amin’ny kopisoroka? Tsy efa taratry ny kajy ara-pifidianana 2023?
EFA EO AM-PELANTANANY?
Misy ny resaka mandeha fa efa eo am-pelan-tanan-dRajoelina ny “certificat de nationalité Malagasy”, saingy sarotra ny hanamarina an’izay raha tsy efa tena migadona ny fotoana, toy ny fametrahany fialana hatramin’ny 9 septambra raha ela indrindra, izay midika fa kandida izy. Raha ny re any anaty Etamazaoro politikan’ny fitondrana dia tena hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena malagasy izy ary hametra-pialana. Mety hatao sarintsariny fotsiny anefa ny Filohan'ny Antenimierandoholona izay voafaritry ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenana fa manolo ny filoha am-perinasa raha kandida ity farany satria tsy maintsy miala 60 andro mialoha. Ahiana tsy tena hisy fahefana amin’ny maha-filoham-panjakana azy io, fa hifantoka eny Mahazoarivo ny fahefana feno?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny