TIM, Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra ankapoben’izy ireo, Jean Claude? Ny iray kandida ben’ny tananan’Antananarivo farany teo. Ny iray mpikambana eo anivon’ny biraon’ny Tiako I Madagasikara. Samy mpikambana eo anivon’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara ireo. Tsy mbola nitantana teto amin’ny firenena akory. Isan’ny fanontaniana apetraky ny mpanara-baovao ankehitriny ny hoe “Ity fampirehetana afo misambotra olona ity sao dia mba tetika avy ao anatiny ihany? Tetika hoe hidirana anaty krizy ka hiavian'ny resaka tetezamita na fiaraha-mitantana? Alaina sary ny filoham-pirenena mizara vatsy tsinjo sy ny karatany sy ny tariny rehetra. Tokony ho izy ve anefa no hanao izany? Impiry moa izay ny filoham-pirenena no niharana fahafaham-baraka noho ny nafitsok’ireo manodidina azy ao anaty fitondrana ao? Tao ny minisitra manondrana tamin’ny resaka fiarahana amina artista. Tao ny volamena amina kilao maromaro tafavoaka an-tsokosoko sy nivadika vy rehefa tsy hita. Ny raharaha “panier garni”, “ecran plat”, “bonbon sucette” sy ny tariny rehetra manginy fotsiny. Fanao rehefa mitondra ve ny miteny hoe “tsy maintsy midina ny vidin-tsolika’’? mampametra-panontaniana mihitsy hoe mba iza loatra na iza avy aza no mpanolontsaina ny filoham-pirenena ao? Iny indray izao fa nisy iny fanakanana ireo lazaina fa “resy lava” iny kanefa toa atahoran’izao fitondrana izao fatratra ihany? Navela namoaka filazana fa tsy hanakana azy ireo ny prefe anio dia ny ampitso toa nivadika indray ny lela? Iza ao anaty fitondrana ao no tena manome ny baiko mikasika ireny rehetra ireny sy manana tombony amin’ny sary ratsy mahakasika ny filoham-pirenena? Ny sary hita ny sabotsy teo fotsiny dia efa toy ny naneho fa tena tsy mahazaka demokrasia sy mpanao didy jadona ny filoham-pirenena. Tena izany tokoa ve anefa izy? Miseho lany hatrany hatreto fa potehin’ireo manodidina azy ihany I Andry Rajoelina.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,