Tsy vonona hiresaka sa tahotra ny hifanatrika amin’ny maro an’isa? Fanontaniana isan’ny mipetraka eo anatrehan’ny fihetsiky ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina manoloana ny fikatsaham-bahaolana ho an’ny firenena io. Tamin’ny 11 septambra nandritra ny fanaovana ny antsapaky ny filaharan’ny kandida no nahatazanana azy tao anatin’ny besinimaro, ary toa lasa niampita ranomasina taorian’izay, 5 andro taorian’ny fametraham-pialany tsy ho Filoha. Mandeha ny adihevitra eo anatrehan’ny ahiahy samihafa ara-pifidianana, saingy tsy te hahalala izany I Andry Rajoelina rehefa jerena amin’ny fihetsiny. Toa manamafy an’ilay firesaky ny governemanta amin’ny fivoizana fa tsy misy krizy eto, fa ireo kandida hafa no mpanakorontana. Nahoana no tsy sahy miatrika ny besinimaro manamafy izany ny Filoha teo aloha? Matahotra adihevitra ve ka solontena hatrany no alefa? Na koa tsy mahatoky tena amin’ny adihevitra ka tsy maintsy hotronina mpanolon-tsaina manokana? Raharaham-pirenena no resaka eto fa tsy raharahan’antoko, saingy toa hafahafa ihany ny fihetsiny, saingy samy manana ny fisainany tokoa angamba. Tsy vao sambany tamin’ny fihetsik’I Andry Rajoelina tamin’ny resaka fifampidinihana momba ny toe-draharaham-pirenena izao satria nahatarafana izany ny resaka Maputo taorian’ny fanonganam-panjakana 2009 izay na ny tondrozotra taorian’izany aza moa toa tsy noraharahiana. Nisy endrika nitovitovy tamin’izany ihany koa tany amin’ny taona 2014 nisian’ny fifampidinihana politika nikatsahana ny fampihavanam-pirenena,… Voafaritry ny lalàmpanorenana moa ny filoham-pirenena dia miantoka ny firaisam-pirenena ka asa na hita taratra amin’ny fihetsik’Atoa Andry Rajoelina fony izy nitondra ny firenena sy izao efa tsy eo izao izany na izy mihitsy no toa isan’ny lasa olana sy toa manao takalon’aina ny firenena sy ny vahoaka?
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny