airtel

Politique

12-déc-2024

Antananarivo

Tena nisy ny fampiasana bileta efa voamarika

Sample post image

Talohan’ny fifidianana no efa nisy kandida teto Antananarivo nilaza fa efa misy bileta voamarika sahady,

12-déc-2024

tao no efa nanao ampamoaka fa misy fitaomana mpifidy ivelan’Antananarivo sy tsikombakomba amin’ny resaka « ordonnance », tao ny nitaky hatry ny ela ny hamoahana ofisialy ny lisi-pifidianana na ny kandida mivantana na tamin’ny alalan’ireo mpahay lalàna, saingy niniana tsy nohenoina sy nolazaina fa mpanakorontana. Dia ireny vaky ambatolampy ireny ny teti-dratsy sy kitoatoa samihafa. Nisy ny bileta nanjavona, toy ny teny Talatamaty, tao ny kara-pifidianana sy karapanondro tsy mifanaraka, nisy fahatrarana bileta efa voamarika toy ny teny Ambohitsoa, izay lehilahy 3 no voasambotra. Tovolahy maromaro no nitondra bileta efa voamarika teny Ambohitsoa fa tafatsoaka ny sasany fa ny iray tovolahy no tratry ny andrimasom-pokonolona. Efa nataon’ny vadintany na « huissier » ny fitanana an-tsoratra na « PV » dia nentin’ny polisy nandeha ka asa na notazonina na navotsotra ? Taorian’io, dia nisy 2 hafa fanampiny indray tratra, teny an-toerana ihany. Andiana zatovo maromaro ireo no niaraka, ary ny loharanom-baovao teny an-toerana no nahalalana nialohan’ny fahatrarana an’ity iray ity, fa maherin’ny 20 no niaraka, filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra no niaraka, depiote iray no mpaniraka,… Lehilahy iray nitondra kara-pifidianana miisa 2 ihany koa no niteraka savorovoro teny amin'ny EPP Ambohipo. Am-polony izy ireo saingy tafaporitsaka ny namany, raha ny filazan'ireo olona tena an-toerana. Nampisahotaka ny olona ny fahitana lakoly tamin'ny ankiben'ny tanany ankavia, izay afaka esorina. Rehefa nanontaniana ity lehilahy ity dia nilaza fa an'ny zandriny Ilay kara-pifidianana iray, saingy voatondrany avokoa rehefa andeha hifidy izy. Nentin'ny mpitandro ny filaminana ity farany, ho atao fanadihadiana. Nisy ihany koa ny sakoroka teny Anosibe, ary nisy olona voasambotra niaraka tamin’ny kara-pifidianana maro be sy bileta tokana. Misy ny mody miady nentina nambolena sakoroka, dia misy ny olona manao iraka na « mission » mampiditra bileta tokana efa vita marika mialoha, raha ny fanamarihana. Ireny no tratra fa ahiana ho mahafaobe na « généralisé» ny tranga toy ity teto Antananarivo. Mampanahy hoe : ahoana no hahatongavan’ny bileta tokana any am-pelantanan’ny mpanao politika na andian’olona voakarama ? Tsy tsara aro ve ? Nisy nangalatra ve ? Sa kosa tsikombakomba avo lenta ? Ampahany tamin’ny tranga io, fa betsaka ireo toerana nanerana ny nosy nahitana sy nahenoana tranga hafahafa tahaka izao.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap