airtel

Politique

12-janv-2024

Antananarivo tsy maintsy mandroso

Lasa Antananarivo tsy maintsy mivarina

Sample post image

Manetsetra sisa mahita ireo tahirin-tsary mikasika an’Antananarivo

12-janv-2024

talohan’ny taona 2008 tany ho any. Nadio ny tanàna. Nalalaka ny lalana. Voaroaka araka ny tokony ho izy ny fako. Tsaroana ny hiran’i Samoela nanao hoe “Antananarivo ry akama, renivohitr’i Gasikara. Tsy maintsy manao tsaratsara na ny olona na ny tanàna… Mijery “jeu d’eau” eny Ankorondrano… Asio paozy kely, sambany tonga eto Analakely…”. Tena nireharehana ilay tanàna, hoy ireo nahatsiaro, ary mbola nisy “feu tricolore”, izany hoe jiro torolalana ho an’ny mpampiasa arabe teo amin’ny 67ha. Ankehitriny anefa dia io iaraha-mahita io ny fakobe tsy voafehin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo izay tsy hay intsony ny azo ilazana azy hoe tokony ho atao hoe teo aloha ve sa mbola tokony atao hoe ankehitriny? Efa tsy mpivarotra amoron-dalana intsony fa tena efa hila ho eny an’arabe mihitsy no zary mameno tanàna. Ny karazan-ketra takiana amin’ireo mponina anefa nandangana tahaka ireny inona ireny, hoy ny filazan’ireo mponina sorena manoloana ny zava-misy izay. Antananarivo tsy maintsy mandroso no nampanantenaina. Antananarivo tsy maintsy mivarina no tanteraka.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap