airtel

Politique

26-nov-2026

Antenimierampirenena

Lany ho PAN vaovao i Marco Tsaradia

Sample post image

Voafidy ho Filohan’ny

26-nov-2026

Antenimierampirenenai Marco Tsaradia, solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy Andrefana, nandritra ny latsa-bato natao teny Tsimbazaza. Kandidà tokana nifaninana tamin’ity fifidianana ity izy ka nahazo vato 129 tamin’ireo solombavambahoaka 130 nandray anjara tamin’ny fifidianana. Bileta iray kosa no nambara fa tsy manankery. Na dia nisy aza ireo depiote sasany, anisan’izany ny mpomba ny filoha nesorina teo aloha, niala ny efitrano nandritra ny fizotry ny fifidianana, dia nahazo lavitra mihoatra ny roa ampahatelon’ireo depiote miisa 151 i Marco Tsaradia. Ity farany izay nitana ny toeran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena nisahana ny faritanin’i Toliara hatramin’izay no mandimby an’i Siteny Randrianasoloniaiko, depiote voafidy tao Toliara. Ity farany izay niongana ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, taorian’ny fandaniana ny tolo-pitsipahana azy noho ny fiampangana ho nanao “hadisoana lehibe” sy ny “fandikana miverimberina ny fitsipika anatiny”, araka ny voalazan’ny taratasy nolanian’ireo solombavambahoaka namany. Nahazo vato 112 ny f anohana ny fanesorana azy, raha 37 kosa no nifidy ny hitazonana azy ho eo amin’ny toerany. Na izany aza, nafanafana ny tsy fitovian-kevitra tao Tsimbazaza. Niala an-daharana nivoaka ny efitrano ny depiote TIM, ny AVI, ny Pro-Siteny omaly. Nilaza ny TIM tamin’ny alalan’ny depiote sady Filoha lefitry ny Antenimierampirenena avy amin’ny Faritanin’i Toamasina fa mahatsiaro ho tsy isan’ny hakana hevitra intsony ao anatin’ny zotra politika misy, ary mahita fa miverina amin’ny endriny teo aloha tamin’ny fitondrana Rajoelina ny antenimierampirenena. Anisan’ireo kandida 4 fantatra voalohany moa ny depiote Fidèle Razarapiera, Marco Tsaradia, Johny Rakotoarisoa, ny depiote Fanomezantsoa Andrianjanahary,… Voalaza fa kandida iray sisa tsy tena nisy fanazavana ofisialy ny antony. Anisan’ireo nivoaka ihany koa ny AVI. Nandrotsaka antontan-taratasy firotsahan-kofidiana, saingy gaga izahay satria raha ny fahafantarako azy dia 9 ny kandida, ny tenako no faha-9, saingy nolazaina fa tsy voatazona ny dosie an’ny rehetra fa iray sy roa ihany, hoy ny depiote Andriamiharivolamena Zavamanitra Mpitarika ny AVI. Nangtaka fanazavana izahay fa tsy nahazo mihitsy, fa ny feo heno, dia hoe izay no toromarika avy amin’ny Sekretera Jeneralin’ny Antenimierampirenena, toromarika avy any amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena vonjimaika. Tsy fanajana ny demokrasia izany, ka noho ny tsy fahafantarana ny antony dia misintaka izahay fa tsy miray tsikombakomba amin’ny zavatra tahaka izao, hoy ny Depiote Andriamiharivolamena Zavamanitra. Ho an’ny Pro-Siteny izay tao anatin’ny Birao Maharitra saingy voahongana dia nilaza tamin’ny alalan’ny depiote Mamihaja Charlot, fa tsy afaka hankato fifidianana PAN izay atao amboletra. Nilaza fa nitolona niaraka tamin’ny fanavaozana, nitolona ho an’ny fanavaozana an’i Madagasikara, kanefa sarintsarim-pifidianana hanendrena olona miovaova loko toa tanalahy no atao,… Milaza ho mahatsiaro tena ho voahilika ny Pro-Siteny. Nandray anjara tamin’ny fifidianana kosa ny FIVOI, fifidianana no ato, ary ny ato amin’ny antenimierampirenena dia miorina amin’ny lalànan’ny maro an’isa ka izay manana ny maro an’isa no mifehy ny antenimierampirenena. Isika tsy manana ny maro an’isa fa depiote 4. Nilaza ho mijanona ho FIVOI foana, tsy miandany,… ary tsy matahotra ny handravana ny antenimierampirenena.
Toky R

 

 

 

 

 


 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

andron-dRajoelina no miverina »

Card image cap
26-nov-2026

tombotsoany ny TIM, filam-baniny ny an’ny AVI »

Card image cap
26-nov-2026

desambra ny Dinika eny ifotony

Card image cap
26-nov-2026

tarihin’i Elia Rabevahiny

Card image cap
25-nov-2026

nifanarahana dia hoavy ny fanavaozana»

Card image cap
25-nov-2026

Voaongana ny PAN Siteny, Filoha lefitra 2, Kestora III

Card image cap