airtel

Politique

26-nov-2026

Depiote TIM

«Antenimiera tamin’ny

Sample post image

andron-dRajoelina no miverina »

26-nov-2026

 

 

Nivoaka ny efitrano ny depiote TIM nandritra ny fifidianana izay ho Filohan’ny Antenimierampirenena dia ny kandida tokana Marco Tsaradia omaly. Nilaza i Fidèle Razarapiera Filoha lefitra avy amin’ny Faritanin’i Toamasina, fa na depiote aza izy ireo dia voafehin’ny fitsipiky ny antoko nahalany azy. Nanomboka omaly, izay nanovana ny lahadinika, dia nahafantatra isika fa hisy ny fifidianana Birao maharitra. Nandray anjara tao anatin’ny fanolorana kandida ho ao anatin’ny Birao maharitra ny TIM, na tany amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena na tany amin’ireo birao maharitra hafa dia ny kestora fahatelo, raha toa ka tsy maintsy depiote lany ao anatin’ilay faritany ka raha tsy misy depiote TIM dia tsy afaka manolotra any. Nisy ihany koa ny kandida tany amin’ny vaomiera. « Izahay TIM dia mihevitra fa nanala ny fitondrana Rajoelina, ary manohana ny mijoro amin’izao fotoana izao izay tarihin’ny Kolonely Michael Randrianirina. Ny sary hitanay androany sy ny fifampihainoana hitanay androany dia mametraka fa ny TIM dia tsy isan’ny hakan-kevitra intsony ao anatin’ilay zotra politika misy, dia miantso anay ny birao politika, hivory maika mikasika ny zava-misy ety amin’ny Antenimierampirenena, izay fantatsika tsara fa misy antso antso maro be ao anatin’io tambajotran-tserasera io », hoy i Fidèle Razarapiera. Nilaza ity farany fa matoa nanolotra kandida dia mitazona ny lalan-tsaina ao anatin’ny Antenimiera hoe novaina ny fitantanana noho ny tolom-bahoaka. « Ny zava-misy anefa tsy fantatro hoe na misy manoro vohona ny Filoham-panjakana na zavatra hafa fa mivaona any amin’izay lalantsaina izay ilay zavatra mipetraka ato amin’ny Antenimierampirenena,… Ny sary mipetraka miverina amin’ny endriky ny Antenimierampirenena tamin’ny andron’i Andry Rajoelina », hoy i Fidèle Razarapiera. Tsara anefa ny manamarika fa raha nanontanian’ny diaspora tany Djibouti mikasika ny zava-misy ao amin’ny Antenimiera ny PRRM, dia nanipika fa tena tsy misy hidiran’ny fahefana mpanatanteraka io, fa raharaha anatin’ny depiote depiote io, ary manaja ny fisaraham-pahefana ny tenany sy ny governemanta, fa tsy misy resaka baiko midina araka ny resaka misy mivoy. Andaniny ny fanontaniana manitikitika raha ho an’ny etsy Tsimbazaza dia ny hoe : hametra-pialana amin’ireo toerana azony maromaro ao anatin’ny Birao maharitra ary ve ny TIM sa hanaiky fiaraha-mitantana amin’ireo VFM izay sokajiany fa miverina amin’ny endriny tamin’ny Fitondrana Rajoelina ity andrim-panjakana ity amin’izao ? Hanao ahoana ihany koa ny toerana ara-politikan’ny TIM manomboka anio izay nambaran’i Fidèle Razarapiera fa ny Filoha mpanorina dia Atoa Marc Ravalomanana no hilaza azy ?
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

tombotsoany ny TIM, filam-baniny ny an’ny AVI »

Card image cap
26-nov-2026

desambra ny Dinika eny ifotony

Card image cap
26-nov-2026

Voafidy ho Filohan’ny

Card image cap
26-nov-2026

tarihin’i Elia Rabevahiny

Card image cap
25-nov-2026

nifanarahana dia hoavy ny fanavaozana»

Card image cap
25-nov-2026

Voaongana ny PAN Siteny, Filoha lefitra 2, Kestora III

Card image cap