airtel

Politique

26-nov-2026

Fikaonandoham-pirenena

Hanomboka amin'ny

Sample post image

desambra ny Dinika eny ifotony

26-nov-2026

Nanao fampitam-baovao ny FFKM izay nanankinan'ny fitondrana Fanavaozana ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena na Dinika nasionaly araka ny iantsoan'ny FFKM azy. Araka ny fanazavana nataon'i Rév. Rabenatoandro Fresnel, Mpandrindra misahana ny asa eny an-kianja eo anivon’ny Dinika Nasionalin’ny FFKM dia hanomboka amin'ny desambra 2026 ho avy io dingana fakana ny hevitry ny olom-pirenena eny ifotony, ao anatin’ny Fikaonandoham-pirenena, ka Distrika miisa 32 manerana ny Faritra 13 no hanombohana ny dingana voalohany, hotsidihin’ny iraka manokana hanatanterahana izany. Vinavinaina hifarana amin’ny 20 Desambra ny fandaharam-potoana amin’ity dingana ity, araka ny fanazavan’ny FFKM. Raha tanteraka araka ny vinavina ny fandaminana, dia dinika miisa 8 444 no hotanterahina, ka mpanamora miisa 1 679, efa nahazo fiofanana (TRIO), no hitarika ny dinika eny an-toerana.
SEHATRA
Voakasik'ity dingana voalohany ity ny Distrikan'i Manjakandriana, Anjozorobe, Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo ho an'ny Faritra Analamanga. Ny Distrikan'i Fianarantsoa I sy Ambohimahasoa ho an'ny Faritra Matsiatra Ambony. Distrikan'i Mananjary ho an'ny Faritra Vatovavy, Manakara ho an'ny Faritra Fitovinany, Tsaratanàna ho an'ny Faritra Betsiboka. Ny Distrikan'i Mahajanga I sy Mahajanga II ho an'ny Faritra Boeny. Ho an'ny Faritra Itasy indray dia voakasika ny Distrikan'i Soavinandriana sy Miarinarivo. Ny Distrikan'i Faratsiho, Antanifotsy, Antsirabe I, Antsirabe II ary Betafo ho an'ny Faritra Vakinankaratra. Ho an'ny Faritra SAVA kosa dia hisy ny Distrikan'i Andapa, Antalaha, Vohémar ary Sambava. Ny Distrikan'i Ambilobe ho an'ny Faritra DIANA. Ny Distrikan'i Morombe, Toliara I, Toliara II ary Sakaraha ho an'ny Faritra Atsimo Andrefana. Y Distrikan'i Moramanga ho an'ny Faritra Alaotra-Mangoro ary ny Distrikan'i Toamasina I sy Toamasina II ho an'ny Faritra Atsinanana. Efa mandeha ny fanomanana sy ny fandrindrana rehetra entina hanatanterahana izany. « Efa ao anatin’ny fandaminana ny fandrindrana nasionaly amin’izao fotoana izao. Anisan’ny andraikiny ny mampahafantatra ny vahoaka ny dingana efa vita sy ireo mbola hotanterahina », hoy ny Rév. Rabenatoandro Fresnel. Ny dinika eny ifotony no sehatra handraisan’ny olom-pirenena anjara mivantana amin’ny fanehoana ny heviny sy ny fijeriny momba ny fanavaozana an’i Madagasikara.
Jean D.
Rév. Rabenatoandro Fresnel, Mpandrindra ny asa eny an-kianja eo anivon’ny Dinika Nasionalin’ny FFKM
 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

andron-dRajoelina no miverina »

Card image cap
26-nov-2026

tombotsoany ny TIM, filam-baniny ny an’ny AVI »

Card image cap
26-nov-2026

Voafidy ho Filohan’ny

Card image cap
26-nov-2026

tarihin’i Elia Rabevahiny

Card image cap
25-nov-2026

nifanarahana dia hoavy ny fanavaozana»

Card image cap
25-nov-2026

Voaongana ny PAN Siteny, Filoha lefitra 2, Kestora III

Card image cap