airtel

Politique

12-janv-2024

Antoko Fanare sy RMDM

“Tsy manana filoham-pirenena frantsay”

Sample post image

Mametraka baraingo be ankehitriny ny fanaovana politika eto Madagasikara,

12-janv-2024

hoy ny filohan’ny antoko politika Fanare, Andrianasolo Ravelonanosy Solomon Clovis. Nametraka ny fitondrana repoblikanina, hoy izy, ny mpanjanatany vao tonga teto. Ny antoko Fanare ihany hatramin’izao no antoko politika tsy nanara-davahana ireo mpivoy izany atao hoe repoblika izany. Any amin’ireo firenena mbola entina mpanjaka nefa tsy misy mpanjaka miditra an-tsehatra amin’ny fiharian-karenan’ny olona izany fa mandamina no ataony. Ny andriana rahateo tsy natao hangoron-karena fa natao hizara. Izany no nahatonga ny andriana teto Imerina nanao fefiloha, ohatra. Ny vovonana politika Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM dia efa nanao fanambarana moa iny fa tsy mankato fitantanan’ny frantsay ny firenena intsony. Izany hoe ny mpitondra amin’izao fotoana izao, Andry Rajoelina. Efa vazaha izy dia nanafina. Amin’ny antsoina hoe “droit civile” na “contrat” ifanarana roa tonta na olona miisa 2 mivantana izany na tsy mivantana amin’ilay antsoina hoe “personne morale” dia efa tsy mety foana satria fifanaraham-piarahamonina na “contrat social” ny antsoina hoe fifidianana filoham-pirenena. Tsotra no tokony ataon’ny mpanohitra dia ny miteny an’i Andry Rajoelina hoe mialà teo ianao. Izaho izao dia hanentana ny vahoaka malagasy mihitsy hoe any Frantsa no tokony hilatsaka filoham-pirenena i Andry Rajoelina. Frantsay niofo na “naturalisé” tsinona izy. Samia milanja sorabaventy amin’ny fotoana hitenenan’ny RMDM sy Fanare an’izany.Efa nolavin’ny RMDM ny ho entin’ny frantsay. Tsy manana filoham-pirenena frantsay ny RMDM, indrindra, ny Fanare, hoy hatrany ity antoko politika ity.
J. Mirija
Légende: Ny filohan’ny Fanare

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap