Filohampirenena tamin'ny 16 novambra 2023 izay efa nambaranay fa tsy ara-dalána ny nanatanterahana izany, ary tsy tomombana tanteraka ny fepetra rehetra nitondrana ny zotram-pifidianana, hoy ny Antoko HVM. Manamafy io antoko io, fa tandidonin-doza ny firenena satria tsy ampy ny fankatoavan'ny vahoaka ny fahefam-panjakana (Legitimité), raha ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ny mpifidy vonjimaika latsaky 30%, azo sokajiana ho ambany indrindra tamin'ny fifidianana filohampirenena nisy teto amin'ny firenena. Nohamafisin’ny HVM ny fijeriny nanomboka ny febroary 2020 momba ny tsy fahaiza-mitantan'izao fitondrana izao sy ny tsy fanajana ny tany tan-dalana. Anisany amin'izany ny fitsikeranay ireo fanapahana nataon'ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) sy ny tsy fahamatoran'ny vaomiera misahana ny fifidianana (CENI) izay noheverina fa mba hoe : mahaleotena, hoy hatrany io antoko io, ka isan’ny notsikerainy ny fandrafetana ny rejisi-pifidianana. Voaporofo ankehitriny ny firaisana tsikombakomban'ny HCC sy ny CENI amin'ny fiarovana ny tombontsoan'olo tokana izay manitsakitsaka ny soatovina repoblikanina sy ny fahefam-bahoaka, hoy ny HVM. Noho ireo antony ireo, nanambara ity antoko ity fa: mijoro hatrany hiaro ny rariny sy ny ara-dalana satria tsy afaka hiantoka ny fitoniana ara- politika io fifdianana izay natao amboletra io, ary vao maika hanapotika ny fiarahamonina Malagasy sy ny toe-karena; Tsy hanaiky ny valim-pifidianana izay peta-toko sy tsy nandraisan'ny rehetra anjara, tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary feno hosoka; Miantso ny firaisambe iraisam-pienena sy ireo mpanara-maso ny fifidianana mba tsy hiray tsikombakomba amin'ny tsy fanarahan-dalána sy mba hiaro ny tombotsoan'ny maro an'isa ; Mampirisika ny herivelona rehetra mba hijoro hatrany hanohy ny tolona izay efa natomboka. Mila fanovana isika mba hirosoana amin'ny fifandimbiasam-pitantanana ara-demokratika sy ho fametrahana fitoniana maharitra, hoy ny HVM.
Toky R
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny