Taratry ny tsy fanomezan'ny fanjakana lanja ny eny ifotony ny tsy fanaovana fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ity taona ity, hoy izy. Efa notakinay fa avoahy koa ny tetiandro fifidianana ben'ny tanàna. Tapitra koa ny fe-potoam-piasan'izy ireo. Misy milaza fa tsy maika izany nefa fanaovana tsinontsinona ny eny ifotony ny tsy hanaovana ny fifidianana eny anivon'ny kaominina . Maika handrombaka fahefana fotsiny izany fa tsy vonona ny hijery ny vahaolana eny ifotony, hoy hatrany ny tenany. Nahitana solontena avy amin'ireo kaominina miisa 14 mandrafitra ny distrikan'i Miarinarivo nanatrika ny famelabelarana. Naverimberin’ny MMM fa misy ny fifanitsahana andraikitra eo amin'ny olom-boatendry sy ny olom-boafidy ary koa tsindry mihatra amin'ireo mpikambana MMM mitana andraikitra eny ifotony. Vinan'ny MMM, hoy ny filohany, ny fitsinjaram-pahefana, hany tokana ahafahana mampandroso sady andraisan'ny eny ifotony anjara. Fomba fisainana sy fomba fitantanana ary iainana an-davan’andro ny fitsinjaram-pahefana, hoy izy. Mitaky andraikitra avy amin' ny tsirairay sy fahafahana manatanteraka izany ny tena fitsinjaram-pahefana. Ny faritra Itasy, ohatra, rehefa tena tanteraka marina izy io dia tokony ho lasa fitaratra mihitsy satria isan'ireo nomen’Andriamanitra tombontsoa maro izy amin’ny harena ara-boajanahary na harena arak'olona ihany koa. Ankoatr’izay dia maro ihany koa ireo zanaky ny faritra Itasy no manam-piniavana, nahavita fianarana ambony sy manana ny fahaiza-manao amin’ny lafiny arak’asa. Anisan’ny manana mponina tanora ity faritra ity, tombony lehibe izany amin’ny fampiroboroboana ny fihariana sy ny toekarena, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny