airtel

Politique

07-nov-2022

Politique

Antoko politika Avana “Tsy afaka hitsoaka ny zava-misy isika”

Sample post image

Nitsangana ny 5 novambra 2022 teo nandritry ny fankalazana ny faha 10 taonan’izy ireo tetsy amin’ny La Residence Ankerana ny birao vaovao mandrafitra ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina,

07-nov-2022

mandritry ny 5 taona. Ny Maitre Laura Jean Louis no sekretera nasionaly, Dr Lucie Solofonirina no isan’ny filoha lefitra ary Rakotonanahary Fanja kosa no filoha lefitra faharoa. Tapaka tao anatin’ny kaongresy nasionaly notontosainay ny 4 novambra teo, hoy izy ireo, fa mbola mitana ny filamatra hoe “Ny vahoaka aloha no andrianina” ny antoko Avana. Manohana ny fitondrana amin’ny asa ataony ankehitriny ny Avana. Ho amafisina ny asa sosialy atao, indrindra, any ifotony. Vonona handrotsaka kandida amin’ny fifidianana rehetra ho avy ny antoko ary miara-manapaka izany amin’ny vovonana IRD izay misy anay. Mbola matanjaka sy mifanohana amin’izany koa ny ARMADA. Tsy mbola nisy izany fiainana hoe niha nivoatra izany fa hiarahantsika mahita ny olana maneran-tany toy ny eo amin’ny tontolo iainana, ny krizy ara-pahasalamana, ny ady any Okrainina. Na ny firenena matanjaka aza izao mandalo fotoan-tsarotra. Tsy afaka hitsoaka izany isika nefa miara-mahita kosa fa mba misy ihany ny ezaka atao manoloana izany, hoy hatrany ny antoko politika Avana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap