airtel

Politique

07-nov-2022

Politique

Antoko politika Avana “Tsy afaka hitsoaka ny zava-misy isika”

Sample post image

Nitsangana ny 5 novambra 2022 teo nandritry ny fankalazana ny faha 10 taonan’izy ireo tetsy amin’ny La Residence Ankerana ny birao vaovao mandrafitra ny antoko politika Avana na Antoko vahoaka aloha no andrianina,

07-nov-2022

mandritry ny 5 taona. Ny Maitre Laura Jean Louis no sekretera nasionaly, Dr Lucie Solofonirina no isan’ny filoha lefitra ary Rakotonanahary Fanja kosa no filoha lefitra faharoa. Tapaka tao anatin’ny kaongresy nasionaly notontosainay ny 4 novambra teo, hoy izy ireo, fa mbola mitana ny filamatra hoe “Ny vahoaka aloha no andrianina” ny antoko Avana. Manohana ny fitondrana amin’ny asa ataony ankehitriny ny Avana. Ho amafisina ny asa sosialy atao, indrindra, any ifotony. Vonona handrotsaka kandida amin’ny fifidianana rehetra ho avy ny antoko ary miara-manapaka izany amin’ny vovonana IRD izay misy anay. Mbola matanjaka sy mifanohana amin’izany koa ny ARMADA. Tsy mbola nisy izany fiainana hoe niha nivoatra izany fa hiarahantsika mahita ny olana maneran-tany toy ny eo amin’ny tontolo iainana, ny krizy ara-pahasalamana, ny ady any Okrainina. Na ny firenena matanjaka aza izao mandalo fotoan-tsarotra. Tsy afaka hitsoaka izany isika nefa miara-mahita kosa fa mba misy ihany ny ezaka atao manoloana izany, hoy hatrany ny antoko politika Avana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap