airtel

Politique

24-févr-2023

Politique

Antoko politika Fiombonana “Maika ny famahana ny olan’ny vidim-piainana”

Sample post image

Naneho fiaraha-miory tamin’ireo distrika maromaro nandalovan’ny rivodoza Freddy teo amin’ny firenena ny antoko politika Fiombonana.

24-févr-2023

Etsy ankilany, manoloana ny fanovana governemanta kosa dia nohamarinin’ity antoko ity fa governemanta entina hamarana ny fotoam-piasan’ny filoham-pirenena ankehitriny io nasiam-panovana farany teo io. Mpanaradia sy mahatoky azy sady efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena no notendrena, hoy ny antoko. Ho an’ny antoko Fiombonana dia ny famahana haingana ny fidangan’izao vidim-piainana izao, ny tsy fandriampahalemana manerana ny nosy, ny fahasimban’ny lalana, ny fandrindrana ny asam-panjakana rehetra ho lavitry ny kolikoly sy ny kiantranoantrano ary ny fiarovana ny harem-pirenena izao no tokony ho vaindohan-draharaha. Eo koa ny fanadiovana ny tontolom-pifidianana mba ho madio sy mangaraharaha, izay efa handrandrain’ny antoko fatratra, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,

Card image cap
02-juin-2025

Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina

Card image cap
30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap