airtel

Politique

05-juin-2026

Antoko politika Les Phares

«Efa misy dingana maro vita

Sample post image

mandroso any amin’ny fanavaozana»

05-juin-2026

Mivonona mandrakariva amin’izay mandeha aloha ny antoko politika Les Phares sy ny vononana misy azy dia ny ‘Lay Far, hoy ny filohan’izy ireo, Georges Rafanomezantsoa. Na fifidianana no andeha aloha, hoy izy, na fikaonandoha dia vonona izahay saingy hita hoe ny fikaonandoha izao no maha maika ny rehetra. Laharam-pahamehana tokony tsy maintsy atao io satria ny antony nidinana teny an-kianja dia ny hisian’ny fanavaozana ka tonga amin’ny fomba filazan’ny Baiboly azy io hoe tokony havaozina ny zavatra rehetra. Fikaonandoha izany aloha no tokony alefa araka ny filazan’ny mpanao politika azy hoe raha tsy madio ny tokontany dia tsy hisy ny handray anjara amin’ny fifidianana. Ny antoko politika moa efa nahavita ilay fikaonandoha tao Ankorondrano. Ny Les Phares, amin’ny maha antoko politika mitsangana ara-dalàna azy, dia isan’ny nantsoina nitondra ny heviny tanatin’izany. Nitondra ny sosokeviny hahafahana manatsara ny fiainam-pireneny tao ny antoko. Narafitra ho tahirinkevitra izy iny dia tao anatin’ny antsoina hoe SIAP na Sehatra ifanakalozan’ny antoko politika, izay niarahan’ny AREMA, TIM, HVM, Les Phares sy antoko maro samihafa no nandrafetana azy. Efa nentina nitety sehatra iraisampirenena samihafa toy ny SADC, ONU, Ambasady samihafa izany ary efa nankatoavin’izy ireo. Efa nentina tanivon’ny filohan’ny fanavaozana sy ny fiadidiana ny repoblika koa izany. Efa noraisin’izy ireo ho ara-dalàna izany dia ho atolotra hitambaran’ny mpanao politika rehefa tonga ny fikaonandoham-pirenena. Tsy voatery hitovy hevitra ny vahoaka malagasy 30 tapitrisa mahery ary tsy mora ny manao zavatra saingy hita hoe efa misy dingana maro vita mandroso any amin’ny fanavaozana. Inoana fa rehefa tapitra ilay 2 taona nifanarahana dia efa vita daholo ny fanavaozan-drafitra rehetra. Ny madinidinika toy ny jiro sy rano izao hita ho efa mivaha tanatin’ny fotoana vitsy. Ny resaka hoe fandravàna ny antenimieram-pirenena na HCC sy ny toy izany moa dia ny filohan’ny fanavaozana no tompon’ny teny farany amin’izay, hoy hatrany ny Les Phares.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap