airtel

Politique

17-janv-2025

Antoko politika Maeva

«Tokony hiala tsiny amin’ny vahoaka ny Filohan’ny Sénat!»

Sample post image

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

17-janv-2025

endrika vanona. Amin’ny lafiny rehetra ny fahasahiranana, hoy ny filohan’ny antoko, Mamy Raharimanana. Sarotra ny hamaha ny olana eto Madagasikara raha io no mitohy, hoy izy. Krizy vaovao tsy hisy toa azy no hitranga raha tohizana izao. Iangaviana ny filohan’ny repoblika mba handray andraikitra sao ho zava-doza no hiseho eto amin’ity firenena ity!? Tsy misy ampianarina ny tantaran’ny politika teto Madagasikara intsony eto. Raha naharaka tsara isika hatrany amin’ny 1991, 2002, 2009 dia valifaty politika foana no teto Madagasikara. Aza miheritreritra hampandroso an’i Madagasikara raha mbola hanohy izany, indrindra, ianareo tomponandraikitra na eo anivon’ny fanoherana na eo anivon’ny fitondràna. Ho ataonareo sinema ve ny fiainana eto amin’ity firenena ity tompoko? Rehefa tsy handray andraikitra ianareo dia ho tsarain’ny tantara eto. Inoako fa fantatrareo tsara ny zavatra hipotra! Ianareo tafika, tandroka aron’ny vozona, ho an’ny tanindrazana, tsy miteny aho hoe efa am-bavahaonan’ny ady i Madagasikara. Tsy misy afa-tsy vahaolana politika. Miditra amin’ny latabatra boribory dia samy manetry tena, samy miaiky fa samy diso. Tsy misy tsy diso na iza eto na iza, na ny tenako izay miteny izao aza! Hitodika kely amin’ny filohan’ny antenimieran-doholona aho. Tena ohatran’ny nalahelo tompoko satria isam-bahoaka ny tena amin’ireny zavatra noresahinao ireny hoe «Tsy misy vahoaka handresy miaramila izany!». Fomba fijery iray mety marina ny anao fa fomba fijery iray koa tompoko ny hoe tsy mbola nisy tafika namono vahoaka izany teto an-tany raha tsy jadona! Na izany na tsy izany dia nisy fetra ny zava-drehetra ka mba miangavy aho mba ahitsy kely ilay teny toy ireny! Mety tao anaty hafanam-po ianao no niteny na fanafintohinana satria mihenjan-droa ny tady amin’ny mpitondra sy mpanohitra. Lasa diso tafahoatra ny teninao. Miangavy ny filohan’ny antenimierandoholona mba hiala tsiny amin’ny vahoaka! Tsy manana na inona enti-miady amin’ny miaramila izany vahoaka malagasy izany. Raha tena mafy be izany miaramila izany, ny dahalo aza tsy foanany. Toy izany koa ny resaka fakàna an-keriny. Ireo vahoaka tsy maninon-tsy maninona fa efa mandady amin’ny tany no mbola rangitina foana amin’ny hoe tsy haharesy miaramila. Tadidio fa ny tantara no hitsara! Efa niainan’ny firenena tamin’ny 2009 izao zava-mipoitra izao. «Tsapao aloha ny herinareo vao mandrefy aty aminay!», hoy ilay filoham-pirenena tamin’izany. Firy volana tao aoriana izy no niongana? Hiverina foana ve izay? Tsy afaka hampandroso firenena anaty valifaty isika! Aoka isika mba samy hanana fitoniana, fandeferana, fanetre-tena fa iray ihany ny malagasy. Aoka izay ny fifamonoan’ny samy malagasy fa vahaolana tena maharitra ho an’ny taranaka fara-mandimby no aroson’ny Maeva ka raha mahatafavoaka izany ny filoham-pirenena ankehitriny dia tena deraina, hoy hatrany Maeva!
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap