airtel

Politique

18-janv-2024

Antoko politika MFM

“Raha sahy dia avoahay ny lisitr’ireo olona 500 isa nametraka CV!”

Sample post image

Tsy miova ny fomba fijerin’ny MFM hatramin’ny fanonganam-panjakana 2009

18-janv-2024

no ho nankaty, hoy ny filoha mpiara-mitantana ity antoko politika Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara ity, Randrianirina Jean Ignace na Ramasy. Tsy misy fanantenana izany amin’io rafi-pitantanana io, hoy izy. Ny antony dia tsy nahazo ny maro an’isan’ny olona te hampandroso ity firenena ity. Isany ireo mpanao politika heverina fa nokotikotiana tamin’ny C11 hiditra ao anaty fanjakana ary tsy nahazo an’izay. Tsy maintsy mandeha moa ny raharaham-panjakana na miditra ianao na tsy miditra fa tokony teny ierana foana ny zavatra atao. Mikasika ilay fanendrena governemanta dia ravina avy nantentina no hita. “Bobard” na hoe ronono an-tavy. Miainga amin’ny hery misy eo amin’ny firenena izany fananganana governemanta izany. Tsy fifaninanana no atao. Tsy misy ilàna an’izany fianianana izany! Ronono an-tavy ho an’ny malagasy ireny fianianana ireny satria ny filoham-pirenena matoa nanao fianianana dia efa izy no tomponandraikitra voalohany. Ny ankoatra izay fitaka. Ny mpitondra fanjakana sasany mamoaka naoty hoe tsy atao mitangorongorona fa misy aretina isan-karazany. Ao anatiny ao hafa ihany anefa mampilahatra olona amina fizarana zavatra. Fanjakana be “laoika” io fa tsy antenaina amina inona na inona. Izy mianankavy ihany no ho ao. Jereo tsara fa ireo tsy ho tafiditra ao dia tsy maintsy ho ao anaty sekreteram-panjakana! Tsy misy fanantenana ho an’ny firenena malagasy ny fanovana na fifidianana nataontsika teo fa tsy maintsy miainga amin’ny teny ierana ihany ny fitondrana sy ny rehetra! Efa napetraky ny sehatra iraisampirenena izay fa be marenina sy be zizo moa ny mpanao politika rehetra eto dia ny vahoaka malagasy no hianjadian’ny fahasahiranana amin’izao fotoana izao. Fitaka bevava ny fianianana. Tsy misy ilàna izany. Ny filohan’ny repoblika ihany no tokony hanao izany ka rehefa tsy mahomby ny mpitondra fanjakana na ny praiminisitra dia soloina. Raha sahy dia avoahay ny lisitr’ireo olona 500 isa nametraka CV! Iza no olona nanao ny sivana dia ireo ve no tena izy, hoy hatrany ny MFM?
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap