airtel

Politique

13-sept-2023

Antoko politika MONIMA

“Anaty tetezamita mandeha ila isika izao!”

Sample post image

Ny olona mianatra lalàna na siansa mikasika ny fiarahamonina, taona voalohany dia efa ampianarina ny atao hoe ambaratongan-taratasim-panjakana na

13-sept-2023

hiérarchie des textes”, hoy ny antoko politika MONIMA, tetsy amin’ny fonenan’ny filohan’izy ireo Monja Roindefo Zafitsimivalo, omaly. Ambony indrindra ny aorian’ny lalàna na fifanarahana iraisampirenena ny lalàmpanorenana, hoy ity filohan’ny antoko ity. Avy eo ny lalàna fehizoro na “loi organique”. Manaraka ny didy hitsivolana na “ordonnance”. Manaraka amin’izay ny didim-panjakana na “décret”, ny didim-pitondrana na “arrêté”, ny naoty sy ny hafa rehetra. Raha ny mikasika ny asana filoham-pirenena dia tafiditra anaty atao hoe “transition de facto-unilatérale” na tetezamita mandeha ila isika izao. Izany hoe tetezamita ihany satria ny filohan’ny antenimieram-doholona mbola filohan’ny antenimieram-doholona fa tsy misahana ny andraikitry ny filoham-pirenena izay fahefana nomen’ny lalàmpanorenana azy. Ny governemanta no misahana izany anaty fiaraha-mitantana na “collégialement” fa tsy araka ny voasoratra na “textuellement”. “En cas de forces majeurs” na tsy azo hanoharana nefa no tokony hisian’izany. “Unilatérale” na mitanila ilay izy satria governemanta efa teo ihany no misahana izany. Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana izay ka tafiditra ao anaty krizy sahady noho izany ny firenentsika. Ny mahagaga fa ny HCC izay tokony fara-tampony amin’ny fahazoana ny lalàna no manao izany zavatra izany. Manohintohina ny mpisehatra ny fanapahan-kevitry ny HCC. Tsy matoky azy intsony ny mpilatsaka ho fidiana fa ny vahoaka malagasy iraimanontolo ihany koa. Mila ahitsy izany fa tsy hisy hifampatoky eto. Hitarika korontana eto amin’ny firenena ny zavatra toy izany, hoy hatrany ny MONIMA.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany

Card image cap
16-mai-2025

Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy

Card image cap
16-mai-2025

Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana

Card image cap
16-mai-2025

Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,

Card image cap