airtel

Politique

13-nov-2023

Antoko politika Monima

Manameloka ny habibiana tamin’ny depiote Fetra

Sample post image

Namoaka fanambarana omaly hariva ny birao foiben’ny antoko politika Monima

13-nov-2023

fa manameloka amin’ny heriny rehetra ny habibiana nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny solombavambahoaka TIM, Fetra Ralambozafimbololona, teny Mahamasina sy ny fitifirana bala tena izy naharatrana iray amin’ny mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana. Ireny dia fanosihosena ny zo fototra haneho hevitra an-kalalahana araka ny fenitra demokratika hita eran’izao tontolo izao, hoy izy ireo. Tsy misy antony, na inona na inona, azo hanamarinana ny toe-javatra toy ireny. Tsy misy ifandraisany amin’ny “opération de maintien de l’ordre” na fepetra hitandroana filaminana lazaina fa ataon’ny mpitandro filaminana. Misitona ny sain’ny tomponandraikitra ambony ao amin’ny mpitandro ny filaminana, fa ny zavatra toy ireny izay efa miseho matetika, dia manala baraka azy ireo sy ny firenena malagasy, hoy hatrany ity antoko politika tarihin’ny praiminisitra teo aloha, Monja Roindefo ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Feno ireo tondro maneho sy manamafy ny fisavoritahana ao anaty Fanjakana, ankoatra ny tondro ara-tsosialy,

Card image cap
02-juin-2025

Hanomboka anio Alatsinainy 02 Jona amim-pomba ofisialy ny fananganan-tsaina

Card image cap
30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap