airtel

Politique

11-mars-2025

Antoko politika Natiora

«Ny tsy fandriampahalemana aloha no mila fehezina»

Sample post image

misitraka feno ny zony ao anaty firenena tan-dalàna.

11-mars-2025

Ny mpitondra eto nefa efa tsy manara-dalàna sy tsy tan-dalàna, hoy izy, fa manao izay tiany atao. Anaty vanim-potoanan’ny rivodoza moa isika izao. Tsy tokony ho werawera ny fanampiana ny any atsimo sy ireo faritra hafa amin’ny fanomezana fanampiana ho an’ireo traboina noho izany na hitenitenenana foana momba ny fanoherana. Andraikitry ny fitondràna amin’ny maha raiamandreny azy ny manampy ny traboina. Vary tsy ampy ny vahoaka no nentiny tany atsimo fa vary iray kitapo ho zarazaraina ho an’olona firy. Toy izany koa ny fizaràna jiro. Adidy amin’ny maha mpitondra no nataonao tany. Miteny foana izahay mpanohitra rehefa tsy mahavita ny adidiny ny mpitondra. Toy izany ilay hoe tsy fitenina raiamandreny izany hoe «mivovoa» izany. Mananatra sy miteny am-pahendrena hatrany no atao hoe raiamandreny. Tsy kabarina olom-panjakàna na «homme d’état» ireny. Ny Amiraly Didier Ratsiraka ihany rahateo moa hatreto no nanana fitondràn-tenana «homme d’état» teto Madagasikara. Mahagaga fa tsy mba nisy resaka fandriampahalemana mihitsy ilay filankevitry ny minisitra tany Mahajanga. Fandriampahalemana miha mirongatra satria miha mahantra ilay malagasy kanefa dia fitsangatsanganana no natao tany Mahajanga. Tsy ratsy ny resaka Flyover, Tanamasoandro, Teleferika. Samy mariky ny fandrosoana izany saingy laharam-pahamehana ve? Efa fadiranovana izao ny vahoaka. Miha mahantra sy dibo-drano. Mbola tsy nolalovan’ny rivodoza aza i Antananarivo dia efa betsaka sahady ny dibo-drano. Tsy voafehin’ny fanjakàna ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny tsy fandriampahalemana aloha no mila fehezina. Mila aparitaka any an’elakelan-trano any mihitsy ny mpitandro filaminana fa tsy etsy amin’ny 13 may na lapan’ny tanàna no asaina miandry ny zandary nefa dia karamain’ny vahoaka. Hiandry 13 may ve no hanakaramàn’ny vahoaka ny mpitandro filaminana, hoy hatrany ny antoko politika Natiora?
J. Mirija

 


 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap