Zava-dehibe ireny, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Tsy mora ny manao zavatra ary tsy maintsy misy foana ny indro kely satria tokony ho tao koa ireo finoana hafa sy ara-drazana. Isaorana ny filohan’ny FFKM nahasahy namory satria tao ny ankamaroan’ireo mpitondra teo aloha sy ireo milaza fa hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ankoatran’ny mpitondra amin’izao fotoana. Ny hafatra dia mazava hoe tsy ho vanona ny firenena raha olona tsy vanona no mitondra! Mila mandrodana vao afaka manorina. Mila alamina aloha ity firenena ity! Tsy mbola nisy fifidianana nahavaha olana teto fa olana foana isaky ny misy fifidianana. Ho anay antoko Natiora dia nifampandinika izahay teo mikasika ny fampihaonan’ny FFKM ary manana sosokevitra ho an’ny FFKM. Nahazo alalana hanara-maso fifidianana ny FFKM ka izao no fotoana tokony hanombohany izany satria eto no tena ijerena hoe iza no tokony ho afaka handray anjara? Sao ho olona tsy manana zom-pirenena malagasy fa frantsay, hoy hatrany ny Natiora?
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,