airtel

Politique

31-août-2023

Antoko politika Natiora

“Tsy ho vanona ny firenena raha tsy vanona no mitondra!”

Sample post image

Isaorana manokana ny fanetren-tena nataon’ny raiamandreny ara-panahy dia ny FFKM, hoy ny antoko politika Natiora.

31-août-2023

Zava-dehibe ireny, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho. Tsy mora ny manao zavatra ary tsy maintsy misy foana ny indro kely satria tokony ho tao koa ireo finoana hafa sy ara-drazana. Isaorana ny filohan’ny FFKM nahasahy namory satria tao ny ankamaroan’ireo mpitondra teo aloha sy ireo milaza fa hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ankoatran’ny mpitondra amin’izao fotoana. Ny hafatra dia mazava hoe tsy ho vanona ny firenena raha olona tsy vanona no mitondra! Mila mandrodana vao afaka manorina. Mila alamina aloha ity firenena ity! Tsy mbola nisy fifidianana nahavaha olana teto fa olana foana isaky ny misy fifidianana. Ho anay antoko Natiora dia nifampandinika izahay teo mikasika ny fampihaonan’ny FFKM ary manana sosokevitra ho an’ny FFKM. Nahazo alalana hanara-maso fifidianana ny FFKM ka izao no fotoana tokony hanombohany izany satria eto no tena ijerena hoe iza no tokony ho afaka handray anjara? Sao ho olona tsy manana zom-pirenena malagasy fa frantsay, hoy hatrany ny Natiora?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap