airtel

Politique

18-nov-2025

Antoko politika Otrikafo

«Be dia be ny valinteny mbola

Sample post image

andrasan’ny vahoaka malagasy»

18-nov-2025

Be dia be ny valinteny mbola andrasan’ny vahoaka malagasy amin’ny fitondràna ankehitriny, hoy ny antoko politika Otrikafo. Isany, hoy ny filohany, Elia Rabevahiny, ny fitantanana ny harem-pirenena. Eo koa, hoy izy, ny lalan-jotra tian’ilay fitondràna hitantanana ny tany sy ny firenena. Fantatra ny rafitra mangeja antsika eto fa ny kapitalisma tandrefana. Tazomin’ny frantsay mafy eto io izao. Hiroso amin’ny fihaonambem-pirenena nefa isika izao dia manahirana ny maheno hoe ny OIF na sampan-draharaha misahana ireo tany miteny frantsay no hamatsy vola izany. Efa fantatra fa frantsay no ambadik’izany nefa ny olana izao dia hoe ahoana no ialàna amin’ny gejan’ny frantsay? Mbola nisafidy ny hijanona ambanin’ny vahohon’ny frantsay manontolo izany hatreto ilay fitondràna. Rehefa miresaka harem-pirenena dia mby ao an-tsaina ireo fitrandrahana be dia be tsy mitondra tombontsoa ho an’ny firenena. Tokony hazava, ohatra, ny fomba fijerin’ny mpitondra fanjakàna mikasika ny raharaha Base Toliara. Toy izany koa ny QMM. Izahay izao mitaky ny mikasika ny fanavaozana ny fifanarahana nifanaovana tamin’ireo. Zon’ny fitondràna malagasy tanteraka ny mitaky izany. Manao ny mikasika ny olan’ny nosy Sakatia na Mitsio? Mba tsy ilazàna hoe ohatran’ny tsy miroso mankany amin’ny fanovàna isika io dia aleo atao hoe mbola sarotra ilay izy raha izao fomba fitondràna azy izao. Mila ezaka be sy valinteny hentitra sy matotra avy amin’ny fitondràm-panjakàna io fa tsy safosafoana toy ireny fotsiny, hoy hatrany ny Otrikafo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

Handeha ireo dingana samihafa, efa misy raharaha sy fitoriana any amin’ny Bianco…

Card image cap
30-avril-2026

Natao ny tolona noho ny tsy fitiavana

Card image cap
30-avril-2026

ny fanabeazana politika sy maha olompirenena»

Card image cap
30-avril-2026

Mihenjan-droa ny tady eo amin’i Madagasikara sy Lafrantsa

Card image cap
30-avril-2026

federalista mandritra ny fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap