tetsy amin’ny biraon’izy ireo etsy Andravoahangy omaly. Saika hatao ny 2 sy 3 novambra moa izy io, hoy ny sekretera jeneralin’ity antoko ity, Elia Rabevahiny. Foana tamin’ny ora farany moa ary efa nampoizinay ilay izy satria fantatsika fa ny fotoana nomena dia hoe tokony efa tamin’ny volana septambra no nisy ny fifampidinihana. Nihemotra oktobra avy eo dia iny hoe novambra iny indray. Hatramin’ny fotoana farany dia tsy nivoaka mihitsy ny hoe iza avy no handrafitra ilay delegasionina hanao fifampidinihana? Mitaky izany izahay satria manana hevitra aroso amin’izy ireo. Rehefa tsy misy moa ilay izy dia entinay eto hoe tsy miheritreritra fifampidinihana lavabe atao amin’I Lafrantsa izany izahay fa dia hoe tsy mila fiaraha-mitantana fa famerenana ireo nosy ireo no ilaina. Mila mahasahy mitaky ny atao hoe “dommage d’intérêt” na saran’ny fibodoan’I Lafrantsa ireo nosintsika ireo isika. Fe-potoana no tokony omena an’I Lafrantsa hoe 1 hatramin’ny 3 volana hialana ao amin’ireo nosy ireo. Rehefa tsy miala ao izy dia afaka mandeha any amin’ny tribonaly iraisampirenena indray isika mitory. Fantantsika tsara ny nanesorana ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha, Richard Randriamandranto, fa fanapahan-kevitra samirery tamin’ny latsa-bato fanamelohana an’I Rosia tany amin’ny firenena mikambana. Miahiahy izahay ankehitriny hoe fanapahan-kevitry ny minisitra vaovao mpisolo toerana ve ity manaraka ity? Tafiditra amin’ny vanim-potoana mialoha fifidianana isika izao. Na tiana na tsia, ny ankamaroan’ny mpitondra sy mpanao politika dia samy mbola miandrandra ny fanampian’I Lafrantsa avokoa. Tsy maintsy fepetra voalohany apetraky ny frantsay amin’izay hiara-hiasa amin’ny tsy fikitihana ireo nosy malagasy ireo. Fahasahiana sy finiavana politika ihany no ilaintsika amin’io dia azo ireo fa isika ve ho ambaka ny maorisianina? Tsy nisy hoe basy ny azy na tafondro raha naka ny nosy Sagos izay nobodoin’ny anglisy. Fanodinkodinan-dresaka daholo aminay ny hoe mbola tsy manana tafika isika na mbola tsy matanjaka ara-toekarena sy ny rehetra fa ny tena marina dia mbola maro amin’ny mpitondra sy mpanohitra ary mpanao politika eto no mpiara-miasa amin’ny frantsay, hoy hatrany ny antoko politika Otrikafo.
J. Mirija
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,