airtel

Politique

25-avril-2024

Antoko politika RCR-Tolona

«Ny fanabeazana ihany no ahafahana manandratra firenena»

Sample post image

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

25-avril-2024

tarihin’ny filohany, Laza Razafiarison, nandritry ny fanolorana vatsim-pianarana ho an’ireo 18 mianadahy tsara vintana nomen’ny antoko izany tetsy amin’ny Motel Anosy omaly. Ny fanabeazana ihany, hoy ny filohan’ny antoko, no ahafahana manandratra firenena. Nandray handraikitra izahay eto anivon’ny RCR hanohana ireo mpianatra hita fa marefo sy mendrika eny amin’ireo oniversite rehetra manerana an’i Madagasikara sy oniversitem-panjakana. 896 ireo mpianatra niadina fa ireo 18 ireo no afaka tamin’izao andiany voalohany izao. Misokatra amin’ny volana may indray ny dingana faharoa. 120.000 Ariary isam-bolana no omena azy ireo. Tsy mifidy lalam-piofanana fa rehefa oniversitem-panjakana ka mafeno fepetra sady mazoto mianatra dia mahazo ilay vatsim-pianarana. Fanontaniana mikasika ny fahalalana ankapobeny, momba ny firenena, ny fandraisana andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina, mikasika ny fianarana ataony no apetraka amin’ireo mpiadina. Maro dia maro ny kaomisionina eto anivon’ny antoko, hoy hatrany ny filohan’ny RCR. Miisa 32 ankehitriny ireo vatsim-pianarana manaraka efa vonona ao ary miisa 24 hatreto ireo malala-tanana mandray anjara amin’ny famatsiana izany, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
J. Mirija 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nolazain’ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, ho efa vonona ny famatsiam-bola

Card image cap
03-mai-2024

Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana eo anatrehan’ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy araka ny fahefa-mividy,

Card image cap
03-mai-2024

Mandeha ny fanamarihana fa hatramin'ny 1991 dia ny kandidà Toavina Ralambomahay ao

Card image cap
03-mai-2024

Toy ny fanaony mahazatra dia nanofana ireo vehivavy kandida hilatsaka hofidiana

Card image cap
02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap