airtel

Politique

23-oct-2025

Antoko politika RNR

Hanohy ny tolona raha tsy tanteraka ny notakiana

Sample post image

Be dia be ny olona tena nitolona, tena nitaky,

23-oct-2025

nanantena fanovàna, hoy ny antoko politika RNR na «Rassemblement national pour la refondation». Namono fo tamin’ireny hetsi-bahoaka sy tolona ireny, hoy izy ireo, kanjo ohatran’ny zavatra manjavozavo sy sary hafahafa no miseho amin’izao fotoana izao. Mitsangana, noho izany, ny RNR androany. Miantso ny olompirenena rehetra, ny olom-boafidy, indrindra ianareo ao amin’ny antenimieram-pirenena. Fanovàna tanteraka eto amin’ny firenena no anton’ny fitsangànana. Tsy ho fananganam-pahavalo na fizarazarana eto amin’ny firenena akory. Madagasikara iray, repoblika iray, vahoaka iray no tanjona. Fanantenana notadiavin’ny olona teny amin’ny arabe no andrasana hivaly. Ny zo fototra mahaolona sy ny aina ho tsaratsara kokoa lavitry ny kolikoly no angatahana. Raha tanteraka izay dia efa nandrasanay. Raha tsy tanteraka dia mbola hanohy ny tolona izahay ary hanampy hiaro ny tolona natao, hoy hatrany ity antoko politika tarihin’ny filohany, Max Fabien Andrianirina, ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap